Tantara mikasika ny Birmana tamin'ny Marsa, 2013
Myanmar: Fanentanana ‘Vonjeo ny Valantsika’
Miaro ny hevitra hoe mandindona ny fahasalamana izy ity, te-hamindra toerana ny valan-javaboahary Yangon izay marika namantarana ny tanàna hatramin'ny 1906 ny gevernemantan'i Myanmar. Manohitra ity sosokevitra ity ny vahoaka sy ny mponina amin'ny aterineto ary miahiahy izy ireo fa toa hitohy amin'ny fananganana hotely eo amin'ilay toerana aorian'ny famindrana izany.
Shina, Nalefa Mivantana Tamin'ny Fahitalavitra Ny Famonoana Ilay Birmana Lehiben'ny Zava-Mahadomelina
Naw Kham, lehibenà mpivarotra zava-mahadomelina Birmana dia novonoina tamin'ny alàlan'ny tsindrona tany Shina. Nanaitra sy nahatezitra ireo vahoaka tany Myanmar ny nahalalàna fa nalefa mivantana tamin'ny fahitalavitra ny famonoana an'i Naw Kham. Nandiso fanantenana ny sasany kosa ny tsy nanaovan'ny governamanta fifanarahana fanakalozana gadra tamin'ny Shina.
Fifandonana Nahafatesan'olona Teo Amin'ny Polisy sy ny Mpamboly Ao Myanmar
Nizara lahatsary fohy ahitana ireo vehivavy notafihan'ny polisy nandritra ny fifandonana teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy tao Maupin, Myanmar i Pacerunning. Ahitana miaramila manamboninahitra iray manosika vehivavy ny lahatsary ary miaramila manamboninahitra iray hafa kosa miezaka midaroka azy raha toa ka miezaka manakana azy ny hafa. Nanomboka tamin'ny 26 Febroary 2013...