Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

zhhantar

imailaka zhhantar

Lahatsoratra farany an'i zhhantar

29 Avrily 2013

Nampidirina Anaty Fandaharam-pampianarana An-tsekoly Any Singaporo Ny Fikarakarana Ny Biby

Vaovao tsara ho an'ireo olona tia biby. Nanamafy ny Minisitry ny fampianarana any Singaporo fa ampidirina amin'ny fandaharam-pampianarana vaovao anaty 'Taranja Toetra sy ny Maha-olom-pirenena' ho an'ny mpianatra amin'ny sekoly fototra sy ambaratonga faharoa ny fikarakarana ny biby.

Boky Mampihomehy Iray Mitantara Maherifo, Miaraka Amin'ny Hanitra Kyrgyz

Hahazo boky mampihomehy tsy ho ela sy horonantsarinà sarimiaina lalaovin'ny mpilalao fototra "nasionaly" Barsbek ireo mpankafy ilay Kyrgyz maherifo malaza. Fa misy kosa ireo mpampiasa aterineto izay miaro ny heviny fa toa mitovy loatra amin'i Spider-man ilay maherifon'i Azia Afovoany.

26 Avrily 2013

Azon'i Shipra Atao Ve Ny Mivoaka Ny Lavaka Mangitsokitsoka? Vahaolana Telo Ho An'i Shipra Hialàna Amin'ny Krizy Ara-bola

Manohy ny hazakazany mankany amin'ny bankiropitra ny nosikelin'i Shipra. Miatrika toe-draharaha sarotra ilay repoblika Mediteraneana taorian'ny fanapahan-kevitra Eoropeana ny hanisy hetra ho an'ny mpametra-bola rehetra. Vahaolana telo no miseho ho an'ilay nosy: hitondra fifanarahana miaraka amin'i Eoropa, hitodika any amin'i Rosia, na ny hanambara fa bankirompitra ary hiala ny faritra...

15 Avrily 2013

Niverina Ety Anaty Aterineto Ary Mihaza Mpianatra Ny Tafika Menan'i Shina

Manara-maso ny resadresaky ny mpianatra ety anaty aterineto ny Anjerimanontolo eo amin'ny tanàna iray any amin'ny faritanin'i Guangdong Atsimon'i Shina, ary nanara-maso ny fihetseham-po miiba nandritra ny telo taona izao. Niteraka hatezerana tamin'ny aterineto ity vaovao ity; maro no mihevitra fa nandika ny zo amin'ny fiainana manokan'ny mpianatra ny anjerimanonolo...

30 Marsa 2013

Lainga, Laingan-doza, ary ny Antontan'isa Tiorka

Rehefa antontan'isa no resaka, dia mijanona manaraka am-bokony fotsiny ny foto-kevitra fony faha-Sovietika ny governemanta Tiorkmena, toy ny amin'ny boky fandrahoan-tsakafo, fanodinkodinana angon-tahiry sy fanalàna an'izay marina rehetra mety manelingelina. Tena avoakan'ny haino aman-jerim-panjakana izay mitondra amin'izao fotoana izao tsara mihitsy ny 'Antontan'isa tsara', toy ny fiakaran'ny vokatra, fa ny...

29 Marsa 2013

Androany Tibet, Rahampitso Hong Kong?

Mafana fo amin'ny tambajotra any Hong Kong no nikarakara fihaonambe hanehoany ny firaisankinany amin'ny Tibetana teo amin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tamin'ny Alahady 10 Martsa 2013. Maro amin'ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana no mihevitra fa tokony handray ny lesona avy amin'i Tibet ny vahoakan'i Hong Kong...

26 Marsa 2013

Ny Big Wet: Anatin'ny Gripan'ny Tondra-drano Ny Any Avaratr'i Aostralia

Doro tanety tsy voafehy no mitranga any Victoria ary tondradrano goavana kosa no misy any Queensland sy ny Avaratry New South Wales any Aostralia. Fintinin'i Nick Evershed ny fihetseham-po nasionaly mikasika ny volon'andro faramparany teo sy ny ifandraisan'izany amin'ny teotrandro: "Aostralia: raha tsy mirehitra izy dia mety ho dibo-drano izay."

‘Afaka Manampy Manazava Amin'Izao Tontolo Izao Mikasika an'i Katalonia ny Global Voices’

Dinidinika niarahana tamin'i Violeta Camarasa, mpamoaka lahatsoratra amin'ny fiteny Katalana ao amin'ny Global Voices Online. Nasehon'ny Global Voices Català nandritra izay volana maro lasa izay fa manana ny traikefa hanazava amin'izao tontolo izao mikasika an'i Katalonia izy, manampy ny vaovaon'ny haino aman-jery fototra izay tsy mandraharaha ny tantara eo amin'ny...

24 Marsa 2013

Myanmar: Fanentanana ‘Vonjeo ny Valantsika’

Miaro ny hevitra hoe mandindona ny fahasalamana izy ity, te-hamindra toerana ny valan-javaboahary Yangon izay marika namantarana ny tanàna hatramin'ny 1906 ny gevernemantan'i Myanmar. Manohitra ity sosokevitra ity ny vahoaka sy ny mponina amin'ny aterineto ary miahiahy izy ireo fa toa hitohy amin'ny fananganana hotely eo amin'ilay toerana aorian'ny famindrana...

Manako Any Afrika Ny Fametraham-pialàn'ny Papa

Niteraka fihetseham-po tamin'ny Firenena Afrikana mampiasa ny teny Frantsay, na tamin'ny haino aman-jery nentim-paharazana na tamin'ny tambajotra sosialy, ny fanambaran'ny Papa Benoà XVI mikasika ny faniriany hiala amin'ny asany nanomboka amin'ny 28 Febroary 2013. Ny fankasitrahana ny Papa miaraka amin'ny hetaheta mba hisian'ny mpitarika Afrikana sasany haka ohatra amin'ny nataony...