Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

zhhantar · Avrily, 2013

imailaka zhhantar

Lahatsoratra farany an'i zhhantar tamin'ny Avrily, 2013

29 Avrily 2013

Nampidirina Anaty Fandaharam-pampianarana An-tsekoly Any Singaporo Ny Fikarakarana Ny Biby

Vaovao tsara ho an'ireo olona tia biby. Nanamafy ny Minisitry ny fampianarana any Singaporo fa ampidirina amin'ny fandaharam-pampianarana vaovao anaty 'Taranja Toetra sy ny Maha-olom-pirenena' ho an'ny mpianatra amin'ny sekoly fototra sy ambaratonga faharoa ny fikarakarana ny biby.

Boky Mampihomehy Iray Mitantara Maherifo, Miaraka Amin'ny Hanitra Kyrgyz

Hahazo boky mampihomehy tsy ho ela sy horonantsarinà sarimiaina lalaovin'ny mpilalao fototra "nasionaly" Barsbek ireo mpankafy ilay Kyrgyz maherifo malaza. Fa misy kosa ireo mpampiasa aterineto izay miaro ny heviny fa toa mitovy loatra amin'i Spider-man ilay maherifon'i Azia Afovoany.

26 Avrily 2013

Azon'i Shipra Atao Ve Ny Mivoaka Ny Lavaka Mangitsokitsoka? Vahaolana Telo Ho An'i Shipra Hialàna Amin'ny Krizy Ara-bola

Manohy ny hazakazany mankany amin'ny bankiropitra ny nosikelin'i Shipra. Miatrika toe-draharaha sarotra ilay repoblika Mediteraneana taorian'ny fanapahan-kevitra Eoropeana ny hanisy hetra ho an'ny mpametra-bola rehetra. Vahaolana telo no miseho ho an'ilay nosy: hitondra fifanarahana miaraka amin'i Eoropa, hitodika any amin'i Rosia, na ny hanambara fa bankirompitra ary hiala ny faritra...

15 Avrily 2013

Niverina Ety Anaty Aterineto Ary Mihaza Mpianatra Ny Tafika Menan'i Shina

Manara-maso ny resadresaky ny mpianatra ety anaty aterineto ny Anjerimanontolo eo amin'ny tanàna iray any amin'ny faritanin'i Guangdong Atsimon'i Shina, ary nanara-maso ny fihetseham-po miiba nandritra ny telo taona izao. Niteraka hatezerana tamin'ny aterineto ity vaovao ity; maro no mihevitra fa nandika ny zo amin'ny fiainana manokan'ny mpianatra ny anjerimanonolo...