Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

zhhantar · Desambra, 2012

imailaka zhhantar

Lahatsoratra farany an'i zhhantar tamin'ny Desambra, 2012

29 Desambra 2012

Bengladesy: Voakiana ny Haino Aman-Jery Noho ny Tsy Famonjena ireo Tra-Doza

Tamin'ny 9 Desambra 2012, novonoin-ko faty tamin'ny fomba feno habibiana i Biswajit Das 24 taona, nandritra ny fotoana fanakanan-dalana adiny 8 nataon'ny mpanohitra, teo anatrehan'ny besinimaro ary koa mpanao gazety maro avy amin'ny haino aman-jery maro izay sahirana naka sary sy nandrakitra lahatsary ity loza niseho ary tsy nanao na...

Goiana: Mitady Ny Rariny Ho An'ilay Vao 17 Taona Monja Tra-doza Noho ny TIfitra Nataon'ny Polisy

Androany [18 Septambra, 2012] no manamarika ny herinandro hatramin'ny nahafatesan'i Sahquille "Georgie" Grant, 17 taona, noho ny tifitra nataon'ny polisy teo amin'ny alokaloky ny Third Street, Agricola. Nanamafy ny polisy fa nisy nitifitra ka dia namaly tifitra tsotra fotsiny ry zareo - nefa ity fanambarana mikasika ny zava-nisy ity dia...

28 Desambra 2012

Vehivavy Sodanezy Mpanao Gazety Nampijaliana, Manao Antso Avo

Sumaya Ismail Hundosa, 34 taona, dia nisy naka an-keriny tao an-tranony tamin'ny 29 Oktobra, ary hita taty aoriana nisy nanipy tany anaty fotaka tany amin'ny faritra somary lavidavitra any Khartoum tamin'ny 2 Novambra, dimy andro taorian'ny fakàna azy an-keriny. Satria tsy nosokafana ny andinindininy mikasika ny fampijaliana an'i Hundosa teo...

20 Desambra 2012

MENA: Bilaogy Mpampitohy Ny Firenena Maghreb Sy Ny Golfa Arabo

Nifandray tànana ilay mpitoraka bilaogy Maraokana Amerikana Samia Errazzouki sy ilay mpitoraka bilaogy tsy manana firenena fiaviana avy any Koety, i Mona Kareem mba hanomboka bilaogy vaovao izay miresaka mikasika fitsaratsaram-poana eo amin'i Maghreb (Afrika Avaratra) sy i Golfa. Ny tanjona moa dia ny hanombohana ny resaka mba ho famonoana...

Meksika: Sary Indray Mijery Mikasika Ny Fampiterahana Eran'Izao Tontolo Izao

Ny fifandraisana ara-kolotsain'ny mpampiteraka no lohahevitr'ity sary am-bilaogin'ny Offbeat Mama mivahiny ato ity, nakarin'ilay mpakasary Alice Proujansky mipetraka any Brooklyn. Nitety faritra izy fony mbola dimy volana ny kibony ary naka sary ny fifanakalozam-pahalalana ara-kolotsaina tany Quintana Roo, toerana izay nalehan'ireo mpianatra manaraka ilay hany fandaharam-pampianarana nankatoavin'ny governemanta mikasika ny...