Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

zhhantar · Febroary, 2011

imailaka zhhantar

Lahatsoratra farany an'i zhhantar tamin'ny Febroary, 2011

26 Febroary 2011

Libya: Maty izay rehetra manao zavatra

Vao nanao lahateny tezitra tamin'ny fahitalavi-panjakana Lybiana ny mpanao didy jadona any Libya Muammar Al Gaddafi mampitandrina sy mampatahotra ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta sy ny mpanara-dia azy, fa hiafara toan'i Afghanistan, Irak, na Somalia i Lybia. Mankahery ny Libiana izy hivoaka ny tranony ary handroaka ny "mpampihorohoro" ary...

25 Febroary 2011

Serbia: Fihetseham-po noho ny Tantaran'ireo Serba Mpikarama an'ady Any Libya

Raha ny azo avy amin'ny loharanom-baovao sasany, dia nandray anjara tamin'ny fandarohana baomba ny mpanao fihetsiketsehana Libiana ny mpanamory fiaramanidina Serba. Nadikan'i Sasa Milosevic ny fihetseham-po vitsivitsin'ireo Serba mponina amin'ny aterineto momba ity tsaho ity

24 Febroary 2011

Tontolo Arabo: Mitohy ny fitroàrana

Fotoan'ny revolusiona izao manerana ny tontolo Arabo, miaraka amin'ny vahoaka mijoro sy miantso fiovàna ara-politika, ekonomika sy ara-tsosialy. Fifanatonana, fanaovana fihetsiketsehana sy fanoherana manerana ny faritra no mameno ny fandaharam-potoanantsika, miaraka amin'ny vaovao mahavaky fo amin'ny fomba ataon'ny governemanta Arabo iray aorian'ny fampiasan'ny iray ny paikady mitovy hamdravàna ny fanoherana...

23 Febroary 2011

Azerbaijan: Miala amin'ny karipetra mankany amin'ny bàn-kiraro

Voasoratra ao anatin'ny Lisitry fanehoana ny Kolotsaina Nolovaina hatramin'izay tsy mety miovan'ny taranak'olombelona (Representative List of the Intangible Cultural Heritage of Humanity) tamin'ny herintaona izay nokarakarain'ny UNESCO ny karipetra avy any Azerbaijan. Misarika ny fijerin'ny mpitoraka bilaogy ihany koa izy ireo matetika.

22 Febroary 2011

Haiti: Fanampiana avy any Slovakia notazonin'ny ladoany mandritra ny folo volana

Kontenera miaraka amin'ny sambo faharoa misy ny fanampiana ara-olombelona avy any Slovakia no notazon'ny ladoany any Haiti efa ho folo volana. Mandika ny fomba fijerin'ny mponina amin'ny aterineto Slovaky ny olana i Tibor Blazko.

21 Febroary 2011

Gabon: Ny tolona tsy hita maso loatra

Tsy nahombiazana tamin'ny lazany ny fanoherana tany Gabon teo amin'ny sehatry ny vaovao iraisam-pirenena fa mbola variana nitodika tany amin'ny krizin'i Ejipta ny olon-drehetra. Nanontany tena i Mohamed Keita ao amin'ny Komity hoan'ny Fiarovana ny mpanao gazety (CPJ) hoe “tsy maneho an-tsary ny tena sivana ny vaovao tsy marina” any...

20 Febroary 2011

Iran: Martioran'iza izy ?

Samy niady an'i Saleh Jaleh ho martiorany na ny Iraniana mpanohana ny fitondrana na ny hery mpanohitra. Maty voatifitra basy izy tamin'ny 14 Febroary fony ny mpanohitra nanao fihetsiketsehana tany Tehran sy tany amin'ny tanàna maro hafa.

16 Febroary 2011

Ejipta: Ho andron'ny Intifada Ejiptiana ve ny andron'ny 25 Janoary?

Inona no zavatra hiseho any Ejipta amin''ny 25 Janoary? Mangataka hetsika sy fitorevahana etsy sy eroa ny vahoaka. Iza no handray anjara, ary aiza? Inona no angatahan'izy ireo? Mety hoe misy olona sasany manohitra ny zavatra rehetra? Mila mitsidika kely ny tontolon'ny bilaogy Ejiptiana fotsiny isika dia mahita valiny amin'ny...

Ejipta: Ilay lehilahy ao an-damosin'i Omar Suleiman

Na dia ny revolisiona aza tsy nahasakana ny fahaiza-mampihomehy Ejiptiana. Amin'izao fotoana izao, efa malaza toa ny Kianja Tahrir ilay lehilahy mijoro aorian'ny filoha lefitra Omar Suleiman.

Iran: Fanantenana, Hafaliana, Faniriana satria nahazo fahafahana i Ejipta

Niarahaba ny fandehanan'ny filoha Ejiptiana Hosni Mubarak androany ny mpitoraka bilaogy Ejiptiana miaraka amin'ny hafaliana sy ny faniriana. Tena fifandrifian-javatra mahazendana mihitsy hoe ny andron'ny faha 32 taonan'ny revolisiona 1979 naharava ny Shah no niala i Mubarak.