Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

zhhantar · Desambra, 2010

imailaka zhhantar

Lahatsoratra farany an'i zhhantar tamin'ny Desambra, 2010

27 Desambra 2010

Karazana fahandroan-tsakafo Krismasy eo amin'ny Bilaogin'ny Sakafo amin'ny ankapobeny

Midika hoe 'mody an-trano' ny Krismasy ho an'ny olona maro - nefa rehefa tsy mety izany, dia mety ho fampaherezana ihany koa ny mikarakara sakafo mahagaga. Nizara ireo nahandro fialan-tsasatra tena tiany ireo mpitoraka bilaogy manerana ny kaontinana maro. Miaraka amin'ireo, afaka manonofy ianao miverina an-tanindrazana na mitsidika toerana izay...

Sodàna: fialan-tsasatra mahafinaritra sy fitsapa-kevi-bahoaka feno filaminana

Ireto misy sombina lahatsoratra farany amin'ny bilaogy mikasika ny Fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny fahaleovan-tenan'i Sodany Tatsimo. Raha ny hevitry ny fifanarhana Naivasha tamin'ny 2005 eo amin'ny governemanta afovoany any Sodany sy ny Hetsika Liberasion'ny Vahoaka any Sodany, hanao fitsapa-kevi-bahoaka i Sodany Atsimo ny amin'ny hijanonana na tsy ho faritr'i Sodany amin'ny 9...

Côte d'Ivoire: Vahoaka mizotra mankany amin'ny “Revolisiona Orange” iray hafa?

Na dia efa tsy milamilana be ihany aza ny rivotra iainana any Côte d'Ivoire, dia niakatra zana-tohatra vitsivitsy indray ny fihenjanana nandritra ny andro faramparany teo. Taorian'ny korontana tamin'ny 12 Desambra teo amin'ny antoko roa mpifanandrina sy ny fanalavàna ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina nataon'i Laurent Gbagbo, dia miantso...

24 Desambra 2010

Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana

Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia...

Brezila: manaiky ny fisian'ny fanjakana Palestiniana

Nanaiky tamin'ny fomba ofisialy ny fisian'ny fanjakana Palestiniana taorian'ny adin'ny sisintany tamin'ny taona 1967 tamin'ny 3 Desambra 2010 i Brezila.Fandalinana ny dikan'ny fanekena ho an'ny governemanta Brazailiana sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiainana andavanandro ny fihetseham-pon'ny tontolon'ny bilaogy Breziliana.

19 Desambra 2010

Zambia: miresaka mikasika ny famotsorana ny vadin'ny filoha teo aloha ny vahoaka

Nahazo rariny tamin'ny Fitsarana avo i Regina, vadin'ny filoha faharoa Zambiana Frederick Chiluba, izay naiditry ny fitsarana ambaratonga voalohany am-ponja telo volana lasa izay noho ny fiampangana dimy amin'ny tsy nanaovany fanambarana mikasika ireo vola sy fananany noahiahiana ho toy ny halatra tanaty raharaha nahavoa ny firenena.Nitarika tsikera maro avy...

14 Desambra 2010

Adihevitra mikasika ny Modely Sinoa

Nitsidika an'i Sina ny Praiministra Britanika David Cameron tamin'ny volana lasa teo. Rehefa vitany ny lahateniny tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking dia nisy mpianatra nanontany azy hoe inona no azony notsoahina tamin'i Sina. Niteraka adihevitra mafana tamin'ireo mpitoraka bilaogy sy ny olona manam-pahaizana any Sina ny tantara. Ka inona marina ary...

13 Desambra 2010

Afrika: Loko ara-kolotsaina miaraka amina horonampeo sy horonantsary nafangaro

Manana soso-kevitra tena hafakely ny Radio Continental Drift: nanatontosa laharana horonan-tsary mifangaro izy ireo izay tena mifantoka kokoa amin'ny resaka manodidina ny hetsika, ny kolotsaina ary ny zava-kanto any Afrika miaraka amin'ny horonam-peo avy amin'ny atrik'asan'ny fampielezam-peo sy ny fakana horonan-tsary eo amin'ny tanàna maromaro any Kenya sy Oganda.

08 Desambra 2010

Rosia: Fanehoan-kevitra ao amin'ny aterineto mikasika ny fifandonana Koreana

Akon'ny RuNet

Manaraka ny vaovao mikasika ny fifampitifirana nisy teo amin'ny Korea Atsimo sy Avaratra tamin'ny 23 Novambra ny olona any Rosia atsinanana, indrindra ny avy amin'ny faritr'i Primorsky Krai, indrindra ny olana amin'ny mety hisian'ny ady .