Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

zhhantar · Oktobra, 2010

imailaka zhhantar

Lahatsoratra farany an'i zhhantar tamin'ny Oktobra, 2010

09 Oktobra 2010

Hongrie: Manohitra ny tranombarotra Auchan ny mponina

Inona marina ny zava-mitranga any amin'ny honahonan'i Dunakeszi ? Mbola mitohy foana ny tantaran'ny honahonan'i Dunakeszi nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2009. Mikasika ny tetikasa fanitarana ny toeram-pivarotana lehibe iray any Auchan Hongrie amina faritra misy honahona izay arovan'ny lalàna no olana . Nahitana Lahatsoratra [HUN] vao haingana mikasika ny vaovao farany...

Tokony handefa tafika any Afghanistan ve i Bengladesy ?

Nanamarika ny mahaizy azy ny Tafik'i Bengaldesy tamin'ny fanomezany tropy ho amin'ireo hetsika maro samihafa ataon'ny Firenena Mikambana hitandroana ny filaminana manerana izao tontolo izao . Na izany aza, nahazo fangatahana tropy hafakely ny firenena vao haingana mba hanatona ny tafik'i OTAN hanampy hiarovana ny Afganistana amin'ny ady ataon'ny Talibana...

03 Oktobra 2010

Maneran-tany : Tsy misy ny aina rehefa tsy misy ny rano

Natao tany Stockholm , renivohitr'i Soisy nanomboka ny 5 ka hatramin'ny 11 Septambra 2010 ny fihaonana faharoapolo amin'ny Herinandro Iraisam-pirenena ho an'ny rano (World Water Week - WWW) mitondra ny lohahevitra hoe: Ny kalitaon'ny rano Tanjona-Fisorohana, Fampiasàna voalanjalanja sy fampihenana. Araka ny hevitr'ireo mpikarakara, "samy mitondra ny tsindrin'entany eo amin'ny...

Manandratra ny resadresaka amin'ny Amerikana ny mpitoraka bilaogy Jordaniana

Nilaza ny mpitoraka bilaogy Jordaniana fa manohana ny resadresaka sy ny fandaminana, toy izay ny fanoherana tanteraka amin'ny famaliana ny tsy fahazoan'ny Amerikana tsara ny tena hevitry ny Silamo .

02 Oktobra 2010

Azia Atsimo atsinanana : Mitoraka bilaogy momba ny baolina kitra

Betsaka ireo bilaogy mikasika ny baolina kitra any Azia Atsimo atsinanana izay manome vaovao lehibe farany sy ara-potoana mikasika ireo lalao baolina kitra sy ny fandaharam-potoana any amin'ny faritra. Ireto misy lisitr'ireo bilaogy mikasika ny baolina kitra any Azia Atsimo Atsinanana izay mifantoka kokoa amin'i Vietnam sy i Kambodja .

Rosia: “Tranonkalan'ny fahamarinana “

Akon'ny RuNet

Ambara ho iray amin'ireo seha-pifaneraserana vitsy ara-demokratika ny aterineto Rosiana ao amin'ny fireneny ,indrindra amin'ny haino aman-jery Tandrefana . Na izany aza, tokony ho raisina tsara ihany ireto vaovao ireto, satria tsy mazava tokoa ny hoe hatraiza amin'ny fahalalahana amin'ny aterineto moa no tian'ny governemanta holeferina .