Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Vololona · Desambra, 2017

imailaka Vololona

Lahatsoratra farany an'i Vololona tamin'ny Desambra, 2017

22 Desambra 2017

Fankahalàna ny Finoana Silamo – Angano Sa Zavamisy Marina?

Manana endrika roa ny loza mety hateraky ny 'fankahalàna ny finoana Silamo', dia ny fankahalàna manjavozavo sy tsy am-piheverana ireo Silamo tsotra ka mety hiteraka toejavatra adala, ary ny fanasokajian'ireo mpomba ny Pôlitika Silamo ho 'mpankahala ny finoana Silamo' ireo izay rehetra manakiana ny fomba amam-panao Silamo.

21 Desambra 2017

Arzantina: Ilay Tranoheva Ara-kolontsaina Ao An-tanànan'i Piedrabuena

Rising Voices

Ilay fitobian'entan'ny Colón Theater tao Buenos Aires fahiny, lasa Tranoheva Ara-kolontsaina ao amin'ny tanànan'i Piedrabuena ankehitriny, izay nitondra ny tanànan'i Piedrabuena hiditra betsaka amin'ireo sehatra ara-kolontsaina. Mifandray amin'ny mediam-bahoaka ny andavanandrom-piainan'ireo olona ao amin'ny fiarahamonina, misy drafitra maromaro ihany koa iarahana miasa akaiky kokoa amin'ny tanora eo an-tanàna mba hahafahany...

Fifidianana Ben'ny Tanàna Tao Arabia Saodita

Rehefa nanao fanambarana i Arabia Saodita fa hotanterahana ny taona 2004 ny fifidianana ben'ny Tanàna, dia efa nieritreritra mialoha izao tontolo izao ny amin'izay mety hitranga amin'ny fifidianana voalohany ao amin'ity fanjakana mpitàna ny fombandrazana ity....Indro misy topimaso tamin'ny fifidianana sy ireo fotoana nahaliana nandritra izany.

20 Desambra 2017

Ny Famonoana An'i Benazir Bhutto

Ny 27 Desambra 2007, nisy namono tao Rawalpindi, Pakistàna, i Benazir Bhutto, Praiminisitra Pakistaney teo aloha, rehefa avy niresaka taminà vondron'olona mpanao fihetsiketsehana ara-politika (jereo ny fandrakofana nataon'ny New York Times sy ny The Guardian). Naneho ny hatairany sy ny ahiahiny an-tsoratra ireo bilaogera Pakistaney sy avy amin'izao tontolo izao.

Fiovaovan'ny Toetrandro 2007

Efa lasa resaka fiainana sy fahafatesana mihitsy ny fiakaran'ny hafanana ho an'ireo olompirenena maro maneran-tany. Mizara ny traikefany sy ny fijeriny momba ireo paikady apetraka isam-paritra sy isam-pirenena ireo bilaogera ara-tontolo iainana maneran-tany.

Izay Lazain'ireo Bilaogera Ao El Salvador – Momba Ny Hery Mitam-piadiana

Nanoratra lahatsoratra manakiana ny fomba fandaniambolan'ny miaramila ao El Salvador ireo bilaogera Salvadoriana

18 Desambra 2017

Fihaonana An-tampon'ny Global Voices 2008: Ireo Sary Sy Teny Fisaorana

Tena nivanàka aok'izany na iza na iza tonga tao Budapest ka nieritreritra fa ho tsotsotra ny fizotry ny Global Voices Citizen Media Summit na ny Fihaonana An-tampon'ny Mediam-bahoaka Global Voices. Nitohy tsy ankijanona ny fifamihinana nisy teo amin'ny tambajotra sy ny famoahana lahatsoratra torapo taorian'ny Fihaonana an-tampony izay hita taratra...

15 Desambra 2017

Fihaonana An-tampony tao Delhi – 2006

Ny volana Desambra 2006, nanatanteraka fihaonana an-tampony ireo mpanoratra sy mpamoaka lahatsoratry ny Global Voices

14 Desambra 2017

Siriana Mpitsoa-ponenana, Mitady Fialofana Ao Brezila Izay Ananan'ny Fitondrana Assad Mpanohana Matanjaka.

Siriana maro nandositra ny ady an-trano tany aminy no nahita toerana ao Brezila, toerana izay azon'izy ireo antsoina hoe fonenana.

08 Desambra 2017

Tontolo Arabo: Saribakoly Manao Saron-doha Voahenjika Tao Tonizia

Saribakoly Barbie amin'ny endriny Silamo Arabo i Fulla. Misaron-doha izy ary tena fitafy nentim-paharazana Silamo no itafiany. Tsy faly noho izany anefa ny bilaogera Ejiptiana Ahmed Shokeir ka nanenjika fatratra sy nanaisotra ity saribakoly ity teny amin'ireo toeram-pivarotana.