Lahatsoratra farany an'i Tantely tamin'ny Janoary, 2016
29 Janoary 2016
Aza Voafitaka. Fomba Nentin-Drazana Ekoatoriana Efa Ela Ny Satroka Panamà
Aza avela mahafanina anao ny anarana: avy any Ekoatora ny satroka Panamà, ary fomba nentim-paharazana sy loharanonà rehareha ho an'ireo mponina ambanivohitra mpanamboatra azy ny asa tànana fanamboarana azy.
24 Janoary 2016
Vondrona Amerikana Latina Mpisolovava Sy Mpanao Gazety, Nahazo Ny Lokan'ny Fahalalahana Maneho Hevitra Nomen'ny “Index on Censorship” – Tondro Momba Ny Sivana

Ao anatin'ireo mpifaninana Amerikana Latina amin'ny Lokan'ny Fahalalahana Miteny 2016 omen'ny Index on Censhorship ny Méxicoleaks sy ny Fundamedios avy ao Ekoatora, izay misy olon-tsotra sy vondrona 100 avy aminà firenena 53.
21 Janoary 2016
Nalain'ny Governemantan'i Ekoatora Ireo Fitaovan'ny Fantsom-pahitalavitra, Namela Azy io Tsy Ho Afaka Nandeha
Milaza ny tompon'ilay fantsom-pahitalavitra malaza Ekoatoriana izay tsy nandeha intsony taorian'ny fakàn'ny polisy ny fitaovany fa natao iny hetsika iny noho ny tatitra nalefa teo amin'ilay fahitalavitra.
20 Janoary 2016
Ireo Mpitarik'ady Miteny Amin'ny Vahoaka Libane: Ndeha Isika Hamela Heloka Sy Hanadino!

25 taona taorian'ny fahataperan'ny ady an-trano, mbola mijanona ho firenena voazarazara i Libanona, ary tsy hanatsara akory fa maika hanaratsy ny hoavy ireo andrana ataon'ireo mpitarik'ady teo aloha mba hanadinoana .
17 Janoary 2016
Raha Tsy Naneho Tsara Ny Tondradranon'i Chennai Ny Mediam-panjakana an'i Inde, Manao Dingana Kosa Ny Media Sosialy
"Ny tena marina, ny tena nampiahiahy tamin'ilay izy dia ny endrik'ilay fanehoana manamarina ny fizaràn'ny avaratra sy ny atsimo..."
Toy Izao Ny Endriny Rehefa Midina Ao Però Ireo Vorona An'arivony Mpifindra Monina
"Tsy avy any Pero no fiavian'ny mouettes de Franklin, fa nozanahantsika Peroviana sahala ny antsika io satria mitsidika antsika foana nandritra ny anjato taonany rehefa lohataona sy fahavaratra."
Ao Azerbaijan Tany Manankarena Solika, Manao Hetsi-panoherana Ny Vahoaka; Valian'ny Governemanta Fisamborana
Nifamory teo afovoan'ny tanàna ary nanoloana ireo tranoben'ny governemanta ireo olona an-jatony manerana an'i Azerbaijan, nangataka asa ary nanohitra ny fiakaran'ny vidin-javatra, ny fitotonganan'ny fiainana ary ny fitomboan'ny tahan'ny tsy an'asa. Noho ny fitotongan'ny vidin-tsolika maneran-tany izay tafidina hatramin'ny latsaky ny 30 dolara Amerikana ny iray barika ankehitriny, miatrika fotoan-tsarotra...
13 Janoary 2016
Novahàn'i Bangladesh Daholo Ireo Tolotra Media Sosialy (Hatreto)

Fanambaràna mifanipaka avy tamin'ireo manampahefana nampanontany tena ireo Bangla maro ny antony ambadik'ilay fibahanana ny Facebook, WhatsApp, Twitter ary ireo sehatry ny serasera lehibe maro.
12 Janoary 2016
Nohamafisin'ny Fitsaràna Ambony Ao Makedonia Ny Lamandy Ho An'ireo Mpanao Gazety Nitanisa ireo Fanambaràna Fisian'ny Kolikoly
Namerina ny voalazan'ny masoivoho teo aloha an'i Makedonia tany amin'ny Repoblika Tchèque ny gazetiboky Fokus, izay niampanga ny filohan'ny sampam-pitsikilovana teo aloha, Sasho Mijalkov, ho nanao kolikoly. Nitory noho ny fanalàm-baràka i Mijalkov ary nandresy.
10 Janoary 2016
Ny Satan'i Porto Rico Eo Anoloan'ny Fitsaràna an-Tampon'i Etazonia
Hisy vokany amin'ny fifidianana ny toerana noraisin'ny Lehiben'ny fampanoavana ao Etazonia mikasika ny satan'i Porto-Rico tamin'ilay raharaha izay nomelohan'ny lalàna tsotra aloha, avy eo nihitatra ilay izy.
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...