Salohy Randriafanomezantsoa · Janoary, 2019

Lahatsoratra farany an'i Salohy Randriafanomezantsoa tamin'ny Janoary, 2019

Iran:  Mila didim-pitsarana ny fandraràna tranonkala 

GV Mpisolovava  24 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Araka ireo tranokalam-baovao sy ireo bilaogy dia nilaza ny Lehiben'ny Fitsarana Iraniana Ayatollah Shahroudi ny Alahady fa mila didy avy amin'ny fitsarana ny raharaha rehetra ahitana ny fandraràna tranonkala. Nanampy ihany koa izy fa tsy tafiditra ao anatin'izany ireo...

Tsy nahazo nampiasa ny efitra fatoriana tao amin'ny oniversite noho ny fanoratana bilaogy

GV Mpisolovava  23 Janoary 2019

Satria i Ahmed Abdel Kawi dia nanatanteraka ny fepetra rehetra ilaina mba ahafahany mampiasa ny fonenan'ny oniversite, noho izany, nohelohin'ny Fikambanana ho an'ny Fanampiana Ara-pitsarana amin'ny Fahalalaham-pitenenana izay ao amin'ny Tambajotra Arabo misahana ny Fampahalalana ny Zon'olombelona ny fanapahan-kevitra hanilikilihana azy, izay namoaka fanambarana milaza hoe:

Shina : Nakatona ny sehatra bilaogy nandritra ny Lalao Olaimpika

GV Mpisolovava  23 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tsy afaka nidirana intsony efa ho nandritra ny herinandro ny Sohoxiaobao, ilay sehatra ho an’ny bilaogy Shinoa, tsy dia hoe arifomba indrindra, fa iray amin’ireo efa tranainy indrindra ao Shina. Nitatitra ny sakana natao tamin’ny Sohoxiaobao izahay teo aloha;...

Maraoka : Nenjehina noho ny fanalàm-baraka ilay bilaogera Hassan Barhoum

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina ny 25 Febroary 2009 noho ny fanambarany ny raharahan-kolikoly nahavoarohirohy an’Atoa Mohamed Masmouki, izay Lehiben’ny Fampanoavan’ny Mpanjaka ao Maraoka tao amin’ny Fitsarana ambony ao Tétouan ny Bilaogera sady mpanao gazety Maraokana miady amin’ny kolikoly, Hassan Barhoum. Tokony niakatra...

Tonizia : Fisamborana ilay mpikatroka fanta-daza iray tamin’ny famoahana tatitra an-dahatsary an-tserasera momba ny tontolo iainana

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina noho ny famoahana tatitra an-dahatsary tao amin’ny aterineto momba ny fahalotoan’ny tontolo iainana ao Nabeul (Dar Chaabane EI Fehri), izay tanandehibe amorontsiraka Avaratra-Atsinananan’i Tonizia i Zouhaïr Makhlouf, mpikatroka mpiaro ny zon’olombelona sady mpitati-baovao ho an’ny tranonkala Assabil Online...

Malayzia: Nohadihadiana ilay mpiangaly Rap tao amin'ny YouTube

GV Mpisolovava  21 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nohadihadian'ny polisy momba ny hirany rap, izay nanasongadina ny hiram-pirenena Maleziana “Negaraku”, tao amin'ny feo lafika i Wee Meng Chee, fantatra amin'ny anarana hoe Namewee.  Niteraka resabe tamin'ny taon-dasa (2007) ity hira ity izay mitondra ny lohateny hoe ‘Negarakuku’,...

Tonizia: Navotsotra ilay mpanoratra an-tserasera ary niakatra fitsarana ilay ny toniandahatsoratry ny tranonkala 

GV Mpisolovava  21 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Navotsotry ny governemanta Toniziana ilay mpisolovavan'ny zon'olombelona sady mpanoratra an-tserasera Mohammed Abbou izay efa nogadraina efa ho 28 volana izao. Nosamborina Atoa Abbou tamin'ny volana Martsa 2005 ary voaheloka higadra telo taona sy tapany noho ny nanoratany lahatsoratra an-tserasera...

Ejipta: Noafahana i Monem ary nalaina am-bavany i Amr Gharbeia

GV Mpisolovava  20 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy) Niseho teo anatrehan'ny Mpampanoa lalàna izay nandidy ny hamotsorana azy taorian'ny 45 andro nigadrany ilay bilaogera Abdel-Monem Mahmoud. ” Andrasana hivoaka ny Asabotsy aorian'ny famenoana taratasy i Monem sy ny tariny. ” Hoy ny mpisolovavany. Nitatitra i Hossam el-Hamalawy...