Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Pissoa · Jona, 2008

Teraka tany Madagasikara, ary nonina sy nianatra tany hatramin'ny faha-20 taona. 3-4 taona izay nifindra eto Afrika Atsimo, mbola mianatra ihany.

imailaka Pissoa

Lahatsoratra farany an'i Pissoa tamin'ny Jona, 2008

18 Jona 2008

Sina : Topi-maso amin'ny sary sikotra eny amin'ny zaridaina Olympika

Asehon'i Safin an-tsary ao amin'ny FunEnclave ireo sary sikotra eny an-jaritaina ao Sina, tafiditra ao amin'ny fanomanana ny lalao Olympika atao any Beijing. Hoy ny mpamaky iray, patch01 : Mety mahafinaritra ho an'ireo mpizaha-tany koa, heveriko fa tsy hitolagaga ireo fianankaviana 30000 izay nifindra noho ny fikarakarana ny lalao ………

16 Jona 2008

Kenya : Fanampim-baovao avy ami'ny fanampiana olona amin'ny aterineto

Irak : Mainty – Lokon'ny hirifiry

Efa zatra mitondra fitafiana mainty ny vehivavy Irakianina amin'izao – lokon'ny alahelo sy fisaonana hoy ny voalazan'ny Inside Iraq. Misy ihany nefa eny anivon'ny haizina eny vehivavy milaza fa manao fitafiana volon-tany, maitso na mavokely mihitsy aza ! Araka ny voalazan'i Correpsondent Jenan dia : Black is the favorite color...

12 Jona 2008

Cedric Kalonji : Kongo (RDK) an-tsary

I Cedric Kalonji dia mpilaza vaovao ao amin'ny Radio Okapi, ary mpanoratra ny blaogy mety malaza indrindra avy ao Kongo. Fa ankoatra ny asany ao amin'ny radio sy ny fitorahana blaogy dia mpaka sary matihanina koa i Kalonji. Nandritra ny andro maromaro izay dia mitety ny sary apetrany ao amin'ny...

11 Jona 2008

Oganda : Famoretana ny fanaovan-gazety

Meksikô : fitarainan'ny mponina amin'ny fampiasana ny taniny any Copala

Any Copala [en], tanana atsimon'i Acapulco ao amin'ny faritanin'i Guerrero any Mexico no nakana ity horonan-tsary ity, miampanga ny nangalan'ny ben'ny tanana [President of Municipal] Gonzalo Gallardo Garcia, mpikambana ao amin'ny antoko Green Ecological [es] ny tanin'i Isabel Pisa sy Fabiola Abarca. Valan-java-boaary natao hiompiana voay moa no nolazaina hoe...

10 Jona 2008

Rosia : Ny fahalalahan'ny mpanao gazety

Nisy ady hevitra mahaliana mikasika ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety any Rosia tao amin'ny New York Time amin'ny teny Rosiana, ao amin'ny Live Journal. Mahery ny 1000 ny hevitra avy amin'ny mpitoraka blaogy Rosiana hita tao amin'ny lahatsoratr'i Clifford J. Levy izay nadika tamin'ny teny Rosiana. Nadika amin'ny teny Anglisy ny 45...