Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Pissoa · Marsa, 2008

Teraka tany Madagasikara, ary nonina sy nianatra tany hatramin'ny faha-20 taona. 3-4 taona izay nifindra eto Afrika Atsimo, mbola mianatra ihany.

imailaka Pissoa

Lahatsoratra farany an'i Pissoa tamin'ny Marsa, 2008

28 Marsa 2008

Iran : Arovy ny zavaboary

Namoaka sary maro maneho ny ala any amin'ny faritra avaratry Iran i Okay4u, mpitoraka blaogy avy any Iran. Azo atao toerana mahafinaritra ho an'ny fizahan-tany io faritra io araka ny nolazainy saingy tsy rarahin'ny mpitondra Iraniana.

Arabeyes : Tsy Rototra tamin'ny Fifindran'i Magdi Allam ho Katolika ny Mpitoraka Blaogy

Maro ny olon-dehibe nifindra Katolika ary nataon'ny Papa Benedict XVI Batemin'ny tamin'ny faran'ny herinandron'ny Paka teo. Isan'ny natao Batemy tamin'izany i Magdi Allam, Silamo, teratany Ejypsianina, nonina tao Italia nandritra ny antsasaky ny fiainany mahery, ary fantatra koa fa mpitsikera ny “Silamo iringiriny”. Na dia “Silamo be” aza no nilazan'ny...

25 Marsa 2008

Kuwait : Mangala-tahaka ny tandrefana amin'ny zavatra rehetra

Manentana ny mpamaky i Frankom [Ar], mpitoraka blaogy iray avy ao Kuwait, hampitsahatra ny fakana tahaka ny Tandrefana amin'ny zavatra rehetra – manomboka amin'ny tantara sy sarimihetsika alefa amin'ny fahitalavitra ka hatramin'ny firesaka amin'ny namana. أحببت أن أحصي عدد الاشياء التي نقوم بها نحن .. هل أقول الكويتيون أم الخليجيون...

Liban : Ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny ireo fanohanana avy any ivelany

Efa dimy volana izao no tsy nanana Filoham-pirenena i Liban. Efa in-15 no nahemotry ny Filohan'ny Parlemanta ny fifidianana. Ny Parlemanta ao Liban, izay misy olom-boafidy 128, no tokony mivory ary mifidy izay ho Filohan'ny Repoblika. Mbola tsy nisy anefa izany hatramin'izao. Nilaza ny Filohan'ny Parlementa fa tsy manaraka ny...

21 Marsa 2008

Jordana : Mpanao gazety dimy nampiridina am-ponja

Mpanao gazety dimy avy ao Jordana no iharan'ny sazy telo volana am-ponja noho antony roa samihafa nandika ny lalana ao amin'ny fireneny. Manangam-peo ny mpitoraka blaogy avy ao an-toetrana hanoherana ity raharaha manohitra ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra ity. Araka nolazain'ny International Freedom of Expression Exchange dia gazety lehibe roa ao Jordana,...

14 Marsa 2008

Tajikistan : Ny hanoanana indray no hisolo ny hatsiaka sy ny haizina

Firenena kely i Tajikistan, fa misedra olana lehibe. Raha mbola sahirana amin'ny tsy fahampian'ny herin'aratra ny mponina, indrindra ireo eny ambanivohitra, dia efa mananontanina azy ireo sahady ny fahasahiranana hafa. Olana ara-tsakafo indray no miandry azy ireo amin'ity. Araka ny notanterin‘ny Neweurasia dia nampanantena ny Barki Tojik – hany mpamokatra...

13 Marsa 2008

Ekoatera : Mandrahona ny firenena ny loza voajanahary

  Sary nalain'i MennoGuy, arovan'ny Creative Commons Na toa hadinodinon'ny mpanao gazety maro aza ny vokatry ny oram-be tany Ekoatera fa nirona tamin'ny olana diplomatika teo amin'i Colombia sy ny manodidina azy izy ireo, dia mbola maro no mijaly any an-toerana noho ireo loza voajanahary. Io sary eo ambony io...

10 Marsa 2008

Afrika Atsimo : Horonan-tsary tao Free State mivoy fanavakavaham-bolon-koditra

Nafanafana indray nandritra ny folo andro ny fanoherana ny habibiana sy ny fanavakavaham-bolon-koditra ao Afrika Atsimo. Horonan-tsarimihetsika iray mivoy fanavakavaham-bolon-koditra novokarin'ny mpianatra 4 avy ao amin'ny Free State University, maneho mpanadio mihinana sakafo efa namanizan'ny mpianatra iray moa no nitarika ireo hetsika ireo. Hita ao amin'ilay horonan-tsary koa ny fanararaotana...

05 Marsa 2008

Afrika Atsimo : Hadalana Iray Indray Nataon’i Manto

Miteraka resa-be indray ny Minisitry ny Fahasalamana ao Afrika Atsimo, Ramatoa Manto Tshabalala-Msimang, izay efa nolazain’ny lahatsoratra taloha fa main’ny afo noho ireo hevitra lomoriny … Tamin’ity indray mitoraka ity dia hatezarana no nitsenan’ireo mpitoraka blaogy ny hevitra narosony ny ekipa mpanatanteraky ny filoham-pirenena mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana. Izao no...