Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ntsoa · Oktobra, 2014

Student at ENI Fianarantsoa

imailaka Ntsoa

Lahatsoratra farany an'i Ntsoa tamin'ny Oktobra, 2014

21 Oktobra 2014

Inona No Ratsy Indrindra Ho An'i Inda: Ny Rivodoza Hudhud Sa Ny Fisavoritahan'ny Media Momba Azy?

Tao amin'ny Twitter, nitaraina ireo Indiana maro fa ilay fanaingàna fihetseham-po tafahoatra tany anatin'ireo vaovao no tena nahatonga ny fahapotehana be indrindra fa tsy dia ilay rivodoza loatra.

18 Oktobra 2014

Nanazava ny Lanitr'i Japàna Nandritra ny Adiny Iray Ny Takonam-bolana Feno

Niarahaba ilay tranga niseho teny amin'ny lanitra tamin'ny 8 Oktobra ny vahoaka tao Japàna tamin'ny alàlan'ireo andihanà yogà miavaka sy ireo seho momba ny hazavàna.

17 Oktobra 2014

Instagram, Toerana Hiadiana: Jamaikàna Artista Mpanao Reggae Mifanandrina Amin'ny Minisitry ny Zavakanto Sy Ny Kolontsaina

Ohatra iray mampiseho ny fomba fanovàn'ireo mediam-bahoaka ny fomba hifandraisan'ireo mpanao politika ao Karaiba amin'ny vahoaka ireo zavatra vao haingana nataon'ireo mpiasam-panjakana ireo.

Ny Maso Mibanjina Ny Ho Avin'i Shina, Mihantsy Fisamborana Ireo Avy Ao Amin'ny Tanibe Mba Hanohanana Ny Revolisionan'ny Elo Any Hong Kong.

Farafahakeliny, mpitolo 34 tao Shina no voasambotra. Manantena ny sasany ao amin'ny tanibe Shina fa ny fandresen'ny demokrasia ao Hong Kong dia midika ho fivoaran'ny demokrasia ao an-toerana.

16 Oktobra 2014

Afaka Ho Raràna Tsy Hividy Toaka Ve Ireo Vehivavy Ao Myanmar?

Ny tahan'ny fisotroana toaka ao Myanmar no ambany indrindra any amin'ny faritra Atsimo-Atsinanan'i Azia, maro anefa ny resaka fa miova izany ankehitriny. Voatatitra fa miady hevitra amin'ny fandraràna ireo vehivavy any amin'ny faritra sasany tsy hahazo hividy toaka ireo manampahefana.

14 Oktobra 2014

“Blog Action Day” Amin'ny 16 Oktobra: Raha Miteny Aho Hoe #TsyFitoviana, Dia Miteny Ianao Hoe…?

Ambarao amin'izao tontolo izao ny dikan'ny tsy fitoviana aminao. Zarao ny tantaranao, zarao ny fomba fijerinao, miadia hevitra ary tohano izany. Ataovy ao amin'ny "Blog Action Day" izany amin'ny Alakamisy 16 Oktobra.

12 Oktobra 2014

Mampandohalika An'i Jamaika Ilay Otrikaretina Tsikongonià

Miatrika fanairana ara-pahasalamana mampidi-doza i Jamaika, raha manamafy ireo bilaogera fa mety hampiasaina ho fantsona fampitàna vaovao mahomby mba hanabeazana ny vahoaka momba ireo risika ny Mediam-bahoaka.

09 Oktobra 2014

Maminaviana ny Hampandroso Ireo Nosy “Goat” I Jamaika Na Dia Eo Aza Ireo Hetsi-panoherana Miaro Ny Tontolo Iainana

Nandefa fangatahana fanaovan-tsonia tany amin'ny UNESCO ireo mpitantana an'i Jamaika, kanefa nitarika famadihana palitao ny fampiasam-bola 1,5 lavitrisa $. Voafatotra amin'ny FMI, mety ho be loatra ny vola ka sarotra ny hamela azy.

Nanaraka ireo Mpifanolo-bodirindrina Aminy Ao Azia Atsimo-Atsinanana Amin’ny Fametrahana Lalàna Hentitra Momba Ny Aterineto i Laôsy.

GV Mpisolovava

Mihevitra ny kiana atao amin'ny politikan'ny governemanta ho toy ny asa ratsy ilay lalàna vaovao ary mandrara ny "Fanaparitahana vaovao izay manova ny marina na manimba ny fahamendrehana sy ireo zon'ny tsirairay, ny sehatra maro, ny ivon-toerana samihafa sy ireo fikambanana maro."

Fantaro I Jillian C. York, Mitety ny Tontolo Ary Mpitolona Ho An'ny Fahalalahàna Miteny Sady Mpiasa An-tsitrapo Ao Amin'ny Global Voices.

"Mino aho fa amin'ny alalan'ny famelàna ny fahalalahàna miteny ihany no ahafahan'ny tsirairay manao izay hahenoana ny feony ary mamorona fiovàna manodidina ireo fanontaniana goavana hafa."