nirinandrea · Jolay, 2013

Lahatsoratra farany an'i nirinandrea tamin'ny Jolay, 2013

Riau, Indonezia : Zavon'ny ‘Ground Zero’ Ao Azia Atsimo

  21 Jolay 2013

Ilay setroka mahafaty nandrakotra an'i Singapore sy ireo faritra sasantsasany tao Malayzia hita tamin'ity taona ity dia vokatry ny doro ala tao Riau, izay ao amin'ny faritra Andrefan'i Indonezia. Mazava ho azy fa nisarika ny sain'ireo filazam-baovao goavana rehetra izany, kanefa, vitsy ny tatitra mahakasika ny manjo ireo mponina ao Riau izay tena nijaly tokoa ary mbola mijaly ihany hatramin'izao noho ny vokatra naterak'ilay setroka sy ireo doro ala maro.

Nodimandry I Roberto Beličanec, Masedoniana Iray Manampahaizana Manokana Amin'ny Serasera, Mafana Fo Sady Bilaogera

Namoy ny ainy tamin'ny fijanonan'ny fony tampoka [mk] ny 29 Jona 2013 teo amin'ny faha 41 taonany i Roberto Beličanec, Masedoniana manampahaizana manokana amin'ny serasera, mafana fo sady bilaogera. Beličanec dia iray tamin'ireo olona vitsy niteny imasom-bahoaka momba ny fahalalahana sy ny zon'olombelona ao amin'ny fireneny, sahy nilaza ny marina tamin'ny Mpitondra [mk]. Nanana mpanara-dia maro izy tao amin'ny filazam-baovao sosialy noho ny fahasahiany hanohitra ny fanararaotam-pahefan'ny mpitondra, ny kolikoly, ny sivana ary ny lahateny manevateva

“Bitsika-Adihevitra” Mikasika Ny Lafitsara Sy Lafiratsin'ny Fanaovan-gazetin'olon-tsotra

  20 Jolay 2013

Nikarakara ady hevitra mikasika ny filazam-baovaon'olon-tsotra tao amin'ny Twitter ny Press Association of Madrid (APM) na ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Madrid tamin'ilay " bitsika-Adihevitra" fahatelo nokarakarainy amin'ilay #Tuitsyperiodigno (#Tweetsanddignifiedjournalism) naroson'io fikambanana io ary ny tanjona amin'izany dia ny endrika samihafa isehoan'ny asa fanaovan-gazety.