Lahatsoratra farany an'i nirinandrea tamin'ny Aogositra, 2011
Libanona : Mpihira Nosamborina Noho Ny Faniratsirana Filoha Tany Anaty Hira
Ilay mpanakanto Libane Zeid Hamdan dia voatazona fotoana fohy tamin'ity herinandro ity noho ny fahasahiany nanala baràka ny Filoha Michel Suleiman tanatin'ny hira navoakany ny taona 2010.
Peroa : Baolina kitra, Dokambarotra Amin'ny Fahitalavitra , Fitrandrahana Harena An-kibon'ny Tany ary Tambanjotra Sosialy
Ny Talata, 19 Jolay [es], raha mbola nijalytamin'ilay lalao manasa-dalana teo amin'ny Peroa-Orogoay tamin'ilay Amboaran'i Amerika ry zareo Peroviana, nanana n y antony nandefasana bitsika tamin-katezerana ireo mponin'ny aterineto nijery ilay lalao baolina : Dokambarotra nataon'ny Sociedad Nacional de Mineria, Petróleo and Energia [es] (National Institute of Mining, Oil and Energy) na ny (Foibem-pirenena misahana ny harena an-kibon'ny tany, Solika ary ny Angovo) niaraka tamin'ilay mpilalao baolina taloha Juan Carlos Obitas eo amin'ny toeran'ny mpilalao fototra, nalefa nandritra ny fialan-tsasatra, izay nampiasa ny fifandrafiana nisy taloha teo amin'ny Peroa sy ny "Chile" mba hitadiavana ny olona mitsipaka ny fisondrotan'ny haba amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany.