Mpanoratra Taloha · Febroary, 2009

Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Febroary, 2009

Japana: Fotoan'ny sery indray.

Raha toa mantsy ka ny fitiavana ihany no mba eny ambonin’ny lanitra. Efa miiditra tsikelikely ny lohataona, ary ny manomboka miparitaka eny rehetra eny ny vovom-bony avy amin’ny hazo antsoina hoe Cedre. Nanomboka ho ofisialy toa Japan any Kafunsho (ny sery). Nohesorina ny sokola (chocolat) tsy lany tamin’ny andron’ny mpifankatia mba azahoana mahazo toerana hasiana ireo fitaovana hiatrehana ny Kafunsho toy ny: mosoara, ny aro-tava, ny hanitra mint atete sy ny maro hafa.

22 Febroary 2009

Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.

Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary navoakan’I Aegis Trust, ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana ny antontam-baovao.

22 Febroary 2009

Sinoa: May ny CCTV

Ny alin’ny 9 Febroary, tratran’ny afo ny ampahan’ny tilikambon’ny Ivo-toerana Televiziona Sinoa (China Central Television (CCTV)) rehefa nandrehatra afomanga entina hankalazana ny fankalazana ny fetin’ny arendrina ny vaomiera mpikarakara. Nahafatesana...

20 Febroary 2009

Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”

Namoaka ny tahirin-kevitra “An’iza ity hira ity” ny mpitoraka bolongana maro Masedonina tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Talen’ny Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.

19 Febroary 2009

India: Mahatohitra ny atin'akanjo mavokely

Any amin'ny toerana sasan'i India, mety ho ratsy ho an'ny vehivavy sy ny fiandrianan'ny mpivady ny fankalazana ny fetin'ny mpifankatia (St Valentin), araka ny lalana amin'ny fifehezan-tena dia manapaka fa ho enjehina ireo mpivady sy vehivavy izay mifampitantana na eny amin'ny toeram-pisotroana zava-pisotro.

19 Febroary 2009