miora · Aogositra, 2011

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Aogositra, 2011

Shina: Vinaingitra simika

  07 Aogositra 2011

Nisy tatitra avy any an-toerana nampahafatatra fa ny 90% ny vinaingitra eny an-tsena dia novokarina avy amina asidra "acetic"mangatsiaka (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra : acide acetique tsy mitapoka) raha tokony ho natao avy amin'ny voan-javatra.

Bahrain: Liliane Khalil, Sangy Ratsy Iray Hafa Ao Amin'ny Bilaogy Sa Fampielezan-kevitra?

Ny 2 Aogositra 2011, nanoratra lahatsoratra momba ny famotopotorany ny mombamomban'ny olona antsoina hoe Liliane Khalil (@Liliane_Khalil), voalaza ho Mpanao gazety Arabo-Amerikana ny Britanika iray mpitoraka bilaogy sady mpianatra manomana PhD, Marc Owen Jones (@marcowenjones). Namerina nanamarika ireo kaonty rehetran'ity olona ity any anaty media sosialy i Jones, mba hahafantarany fotsiny fa noforoniny avokoa ireo rehetra noteneniny.

Syria: Afaka Misoroka Famonoana Ve Ny Bitsika?

Taorian'ny andro ratsin'ny herisetra hitan'i Siria hatramin'ny nipoahan'ireo hetsi-panoherana nanerana ny firenena tamin'ny Febroary, nanomboka ezaka hisarihana ny sain'izao tontolo izao amin'ny zava-mitranga ao amin'ny firenena ireo Siriana mpanohitra sy ny mpanohana azy erak'izao tontolo izao, mampiasa ny tenifototra iray, #RamadanMassacre, izay natomboka ny Alahady teo mba hanarahana ireo tatitra avy any amin'ny tanànan'i Hama.