Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Avrily, 2015
Gambia: Voasazy Higadra Mandrapaha-faty Ireo Nandray Anjara Tamin'ny Fanonganam-panjakana Tsy Nahomby
Notsaraina tamin'ny fombamiafina ireomiaramila Gambiana nandray anjara tamin'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby tamin'ny 30 Desambra 2014. Maneho ny ahiahiny manoloana ny fitsarana ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona.
“Mpanao Ady Totohondry Be Fangorahana” Ao Japana Nanome Fiofanana Sy Fanantenana Hoan'ireo Mpanao Ady Totohondry Madinika Filipiana
An'arivony ireo Filipiana mpankafy ady totohondry maniry ho lasa tompondaka manerantany tahaka an'i Manny Pacquiao saingy maro ireo mahantra sy tsy mahazo fanazarantena araka no tokony izy.
Fantaro Ny Iray Amin'ireo Vehivavy Amerikana Vitsy Nanambady Lehilahy Japoney
Eo amin'ireo "mariazy iraisampirenena" ao Japana, maro kokoa ny lehilahy Amerikana noho ny vehivavy Amerikana (6-1). Anisan'iray amin'ireo vehivavy ireo i Tracy Slater izay nandao an'i Boston mba hanambady lehilahy Japoney.
Fiarovana ny Fahalalaham-pitenenana Sy ny Fanafenana Anarana Amin'ny Aterineto Ao Ekoatera
Manoloana ny fanamelohan'ny governemanta ny fanafenana anarana sy ny fanarabiana amin'ny aterineto, maro ny fikambanana ao an-toerana sy iraisampirenena nanasonia ny Fanambarana ho amin'ny Fahalalaham-pitenenana, ny Tsy Fitononana Anarana ary ny Fiainana Manokana amin'ny Aterineto ao Ekoatera.
Vaovao Tsy Marina Fifehezan'ny ISIS Ny Toeran'ny Star Wars Nahatezitra Ny Toniziana
Mamaly am-pamazivaziana ireo tati-baovao milaza fa nofehezin'ny ISIS ny toerana nanaovana ny horonantsarimihetsika Star Wars ao atsimon'ny firenena ny Toniziana.
Ampitson'ny Nanesorana Ny Lalàna Miaramila, Mpianatra Patani Nosamborina Tao Atsimon'i Thailandy
"Manantena hahita antso maro ho fanafahana ireo mpiara-mianatra aminay izahay."
Ry CNN, Tsy Tanzania i Ogandà
"Indraindray toa ny CNN no Panafrikanista hiringiriny sisa tavela. Tsy mino izy ireo fa misy dikany ny sisintanim-pirenena na ny anaram-pirenena!"
Ankizy Aostraliana Mianatra Teny Warumungu Miaraka Amin'ny Cockatoo Radio
Ny cockatoo fotsy antsoina hoe Pinangkarl dia mpilalao fototra amin'ny fandaharana amin'ny onjam-peo sy ny fandraisam-peo "Pinarra Aku" izay mampianatra ireo ankizy Aostraliana ny teny Abôrizinalina Warumungu.
Bilaogera Iray Hafa Maty Voatsindrona Antsy: Manjary Mahafaty Ao Bangladesh Ve Ny Fihevitra Afaka ?
Novonoin'ireo fanatika ara-pivavahana tao Bangladesh ny tovolahy iray antsoina hoe Oyasiqur Rahman Babu. Fanafihana faharoa nataon'izy ireo tao anatin'ny iray volana ity
Mbola Any Am-pialokalofana Ilay Pakistaney Mpanoratra Gazety sady Bilaogera, Herintaona Taorian'ny Fanafihana Mahery Setra
Na dia efa mialokaloka any Etazonia aza ilay bilaogera Pakistaney sady mpaneho hevitra ara-politika malaza, Razai Rumi, mbola mahazo fandrahonana an-tserasera hatrany izy.