Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Septambra, 2014
Sopapa Omen'ny Palestiniana Amin'ny Mponin'i Ferguson Ho Fanoherana Ny Baomba Mandatsa-dranomaso
Raha vao nampiasa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao an-tanàna kelin'i Ferguson ao Etazonia ny polisy, namaly avy hatrany ny Palestiniana tamin'ny fanomezana sosokevitra amin'ny tokony atao manoloana izany
Mpisolovava Mitaky Ny Famotsorana An'ilay Bilaogera Ejipsiana Alaa Abd El Fattah Any Am-ponja
Nanao fanangonan-tsonia nalefa tany amin'ny Vondron'asan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanagadrana Tsy Amin'ny antony (UNWGAD) ny Media Legal Defence Initiative (MLDI) sy ny Electronic Frontier Foundation (EFF) mba handray izay fepetra rehetra ilaina ho famotsorana tsy misy hataka andro an'ilay bilaogera Ejipsiana, Abd El Fattah.
Famitana Ny Fanamafisana Ekipa Sy Firosoana Mankany Amin'ny Taom-pianarana
Nandray anjara tamin'ny hetsika famoronana nandritra ny fialan-tsasatry ny andro mafana ny tanora avy ao amin'ny tetikasa "Against the Current", nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.
Tovovavy Mpikatroka Ao Kyrgyzstan Tsy Lany Lohahevitra Horesahina
Manohy ny atrikasany ireo Tovovavy Mpikatroka ao Kyrgyzstan, amin'ilay tetikasa "Girls Activist" nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices ary mitrandraka ireo lohahevitra azo resahina ka tian'ireo mpandray anjara zaraina amin'ny alalan'ny bilaogy.
Sary Maromaro Mampiseho Ny Fiainana Ankoatra Ny Ady Sy Ny Voina Ao Palestina
Natsangana ny Olombelon'i Palestina hitarafana ireo nofinofin'ny Palestiniana sy ny andavanandron'izy ireo. Saingy hatramin'ny nisian'ny fanafihana, dia kendren'ny pejy ny hanarina ny maha-olombelona izay matetika voahosihosy, ka mametraka ny Palestiana ho isam-paty, anarana azo adinoina ary vatana may sy norasarasaina, fa tsy olona manana ny tiana, tantara, nofinofy ary faniriana
Mitokona Tsy Hihinan-kanina i Maryam Al Khawaja, Mpikatroka Zon'Olombelona Bahrainita Voarara Tsy Hiditra Ao Amin'ny Fireneny
Tsy navela hiditra ao Bahrain tamin'ny fahatongavany tao amin'ny seranam-piaramanidina ilay Bahrainita malaza mpikatroky ny zon'olombelona Maryam Al-Khawaja. Notànana izy ary nanomboka nitokona tsy hihinan-kanina.