Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jolay, 2014
Hetsi-pahatsiarovana Bisikileta Fotsy Ao Orogoay
Manontany ny dikan'ireo bisikileta fotsy mitandahatra ao amin'ny arabe ao Montevideo, Orogoay ny olona. Hitanao ato amin'ny lahatsoratra ny valinteny.
Noroahin'i Bahrain Ny Iraka Manokana Amerikana Misahana Ny zon'Olombelona
Bahrain, anjakan'ny fianakaviana Sonita al-Khalifa, no mitsena ny tsikera eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona hatramin'ny namotehan'ny miaramila ny hetsi-panoherana notarihan'ny Shi'ita manohitra ny governemanta tamin'ny 2011.
Zavatra Dimy Tsara Fantatrao Amin'ny Mariazy Turkmen
Raha mieritreritra an'i Turkmenistan ho toy ny tany tsidihana ijerena mariazy ianao, dia tokony hahalala zavatra iray - raha hankalazan mariazy ry Turkmen dia aza mitsabatsabaka ao.
Lisitr'ireo Vakiteny Fahavaratra Avy Amin'ireo Mpikambana Global Voices Teny Frantsay
Mila vakiteny amin'izao fahavaratra izao? Indreto lisitry ny boky avy amin'ireo mpanoratra mpiteny frantsay ny ankamaroany izay atolotr'ireo mpikambana ato amin'ny GV.
Sazy An-tranomaizina 15 Taona No Azon'ilay Saodiana Mpisolovava Waleed Abulkhair
Nahazo sazy 15 taona an-tranomaizina ilay mpiaro ny Zon'olombelona malaza, Waleed Abulkhair androany, izay tafiditra ao anatin'ny famoretana mitohy ataon'i Arabia Saodita amin'ireo mpikatroka ny zon'olombelona.
Sary Nalaina Mampiseho An'ireo Israeliana Mijery Ny Fandarohana Baomba An'i Gaza
Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, nanatontosa "Bemidina fampandrian-tany" goavana tao Gaza i Israely, ka Palestiniana maherin'ny 80 no namoy ny ainy hatramin'ny androany, izay ankizy amam-behivavy no maro.
Manao Fitakiana Amin'ny Alalan'ny Fampiasana Media Sosialy Ireo Mpiasan'ny NXP Ao Filipina
Nahazo fanohanana manerantany ny hetsika #bringbacknxp24 tao amin'ny media sosialy, izay mitaky karama ara-drariny sy asa raikitra.
Te-hifandray amin'ny Filoha Frantsay Teo Aloha Nicolas Sarkozy? Andramo Antsoina Amin'ny Findainy Amin'ny Anarana, Paul Bismuth Izy
Mpandraharaha momba ny tany aman-trano any Israely i Paul Bismuth izay niara-nianatra tamin'ny mpisolovavan'i Sarkozy tany amin'ny lisea tao Paris. Raha nanadihady mikasika ny kolikoly heno tamin'ny resaka an-tariby nataon'i Sarkozy ny fitsarana, nampiasa ny solon'anarana Paul Bismuth i Sarkozy.
Ireo Tsara Ho Fantatra Rehetra Momba Ny Tsindry Atao Amin'ny Aterineto Ao Rosia

Ho fanampiana ny olona haharaka ny inona sy ny inona amin'ny tontolon'ny aterineto rosiana, dia nangoninay ny lisitr'ireo lalàna lehibe mandòna ny RuNet tao anatin'ny roa taona.
Inona No Tsy Itiavan'ny Filohan'i Filipina An'ilay Mpilalao Horonantsarimihetsika Malaza Nora Aunor Ho Mpanakanton'ny Firenena
Niteraka tabataba teo amin'ireo Filipinina ny fitsipahan' ny filoha Benigno Simeon "Noynoy" Aquino ny fanendrena ilay kalazan'ny horonantsari-mihetsika hitondra ny anaran'ny Mpanakanton'ny Firenena.