Raveloaritiana Mamisoa · Febroary, 2013

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Febroary, 2013

Andianà Mpizaha-tany Mandoto ny Ala-Mando (Mangrovy) Lehibe Indrindra Manerantany

  10 Febroary 2013

Manimba ny ala-mando lehibe indrindra manerantany ireo mpizaha-tany tsy mitsaha-mitombo be tabataba sy mpandoto ny tontolo iainana, mihitatra hatrany Bangladesh, atsinanan'i India izany izay toerana mampialoka Liona Mpanjaka Bengaly sy angona biby dia hafa maroloko tahaka ny ombilahy axis, voromanidina, voay, sy karazana bibilava samihafa. Amin'izao vanim-potoanan'ny ririninina izao, manintona ireo mpitsidika...

Fampiofanana Hazakazaka Haingana dia Haingana Momba Ny Lahatsary Misokatra

Rising Voices  07 Febroary 2013

Vao avy namoaka fampianarana haingana momba ny famoronana lahatsary misokatra ny oniversite “tsiroaroa” P2PU (Peer to Peer University) noho ny fangatahan'ireo olona mpikirakira, mpamoaka sy mpampiasa lahatsary. Tao anatin'ny hetsika Forum Open Video, natao tamin'ny volana Desambra 2012  tao amin'ny xm.lab no nananganana izany fampiofanana izany. Lohahevitra isan-karazany toy ny refin-dahatsary, fanaovana kaody, fametrahana lohateny kely,...

Chobi Mela VII: TaoSary Mampifandray Ny Mponina Manerana Izao Tontolo Izao

  07 Febroary 2013

Ao an-drenivohitry Bangladesh ao Dhaka no ankalazaina ny Chobi Mela (Sary Madio) faha-fito, fety iraisam-pirenena momba ny sary. Karakarain'ny Drik Picture Library Ltd. sy ny Pathshala (Ivon-toeran-tsary ao Azia-Atsimo), ity no fetiben'ny sary lehibe indrindra notontosaina tao Azia. Tamin'ny taona 1999 no namoronana ny hetsika ary isaky ny roa taona no ankalazàna izany ao...

Nandray Am-po Ny Fitsikerana Azy Ny Sampam-pitsikilovana Ao Korea Atsimo .. ka Nitory

  05 Febroary 2013

Notorian'ny sampam-pitsikilovana ambony ao Korea Atsimo ho nanala-baraka azy ilay psykôlôgy mpahay lalàna Pyo Chang-won. Tamin'ny lahatsoratra farany navoakany [ko] tao amin'ny gazety mpanohana ny ankavia, namely ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly Koreana (NIS) i Pyo, noho ny fanadihadiana notontosain'izy ireo tamin'ny mpiasa voalaza fa nanao asa tsy ara-dalàna nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany...

Mila Sitraka Amin'i Merkel i Morsi Kanefa Mbola Ao Anaty Korontana i Ejipta

Nalaza ny sary “photoshop”n'ny filoha Ejipsiana Mohammed Morsi nanoroka ny lehiben'ny mpitondra fanjakana (chancelier) alemana Angela Merkel, ka niteraka fanebahana teo amin'ireo mpiserasera, izay nitsikera an'i Morsi ho nandany andro nankany ivelany amin'ny fotoana anjakan'ny korontana ao amin'ny firenena. Tsy nandray ilay sary ho tena izy ny Ejipsiana tamin'ny aterineto,...

Krizin'ny Ankizy Ao Syria: Ahoana Ny Fomba Hanampianao

 Vokatry ny Ady teo amin'ireo ankizy Syriana: Ankizy Syriana tombanana eo ho eo amin'ny 4.355 eo no namoy ny ainy (hatramin'ny 15/1/2013) ao anatin'izao ady ao Syria izao, araka ny tatitra farany navoakan'ny Angon'ny Martioran'ny Revolisiona Syriana. An'arivony mahery ireo naratra, nogadraina sy tsy tafahaona intsony tamin'ny fianakaviany, na tsy nahazo...

Fahanginan'i Ejypta Manoloana Ny Todra-drano Ao Sinai

Ravan'ny todra-drano i Sinai, taorian'ny orambe mivatravatra tao amin'ny faritra. Vitsy dia vitsy ny vaovao momba izany tao amin'ny aterineto, ary fahanginana tanteraka tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Tao amin'ny Twitter, Ibrahim Elgarhi nandefa sioka ho an'ny filohan'ny Ejipsiana Mohammed Morsi [ar]: عاجل وانساني: فيه عشرات الاسر المحاصرة في سيناء في...

Yemen: Nitsidika An'i Sanaa Ireo Solontenan'ny Filakevim-piarovan'ny Firenena Mikambana

Nitsidika an'i Yemen ireo delegasionin'ny Filakevim-piarovan'ny Firenena Mikambana (UNSC) tamin'ny Asabotsy 27 Janoary 2013, mba handondona ny filoha Abdrabuh Mansur Hadi sy hanampy amin'ny fampandrosoana ny fifampiresahana momba ny fihavanam-pirenena taorian'ny fikarakarana izany tamin'ny volana lasa teo tamin'ny Fihaonambem-pirenena – izay mitondra mankany amin'ny lalàmpanorenana vaovao sy ny fifidianana amin'ny Febroary 2014-...