Raveloaritiana Mamisoa · Aogositra, 2012

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Aogositra, 2012

Tetikasa “Namana ao Januária” ao Brezila : Fanadihadiana Momba ny Fahasalamam-bahoaka Sy Ny Fiarovana

Rising Voices  07 Aogositra 2012

Manohy ny asany amin’ny fanaraha-maso ireo ekipa monisipaly ao amin’ny tanànan’i Januària, ao amin’ny faritra Minas Grais ao Brezily ireo mpandray anjara amin’ny tetikasa fanaovan-gazety  an’olo-tsotra Amigos de Januária. Ity tetikasa izay  tohanan’ny Rising Voices  ity dia manome fiofanana ho an’ireo tanora, fiofanana maharitra fito herinandro izay mikasika ny asa fanaovan-gazety...

Gòatemala: Zon'Olombelona Ny Fidirana Aterineto

  05 Aogositra 2012

Ao ambanivohitra indizèny ao Santiago Atitlan, nosokajiana anatin’ny “zon’olombelona” ny fidirana amin’ny aterineto araka ny fanambarana nataon’ny mponina sy ny manam-pahefana ao an-toerana. Nametraka drafitra ihany koa ny manampahefana amin’ny fametrahana WI-fi (fitaovana fidirana amin’ny aterineto) maimai-poana ho an’ny  mponina mba ahafahan’ny tsirairay mahita tombotsoa amin’izany sy hampiasa ny zony. Anisan’ny...

Indonezia: “Jokowi Mifaninana amin'i Foke” Amin'ny Fifidianana Governora Ao Jakarta

  05 Aogositra 2012

Joko Widodo no nandresy tamin’ ny fihodinana voalohany tao Jakarta, amin'ny fifidianana governoran'i Indonezia, ka manatombo sivy isan-jato noho ny governora amperinasa Fauzi Bowo. Nalaza i Joko noho ny naha ben'ny tanànan'i Solo azy izay, tanàna ao afovoan'ny faritanin'i Java. Nandritra ny fe-potoa-piasany, nanjary mpandala ny tontolo iainana, mora mandray namana ary manaja ny maha...

Oganda : Fandravàna Ny Fahazarana Mangina Manoloana Ny Zo Ara-pahasalamana?

  04 Aogositra 2012

Tokony ho maimai-poana ny fitsaboana ao Ogandà. Kanefa tratran'ny krizim-panafody goavana sy tsy fahampian'ny mpitsabo ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana. Navoaka taminà tranonkala ny lahatsary iray novokarin'ny fikambanana iraisam-pirenena mpanao asa soa, Results for Development (Vokatra ho an'ny fampandrosoana) mba hanentanana ireo Ogandey handrava ny lalàn'ny fahanginana sy hitaky ny zony ara-pahasalamana, marihina fa...

Ny Rafitr'Anaran-Tokana Ao Myanmar

  04 Aogositra 2012

Raha misy olom-pirenena Myanmar milaza fa tsy manana anaram-pianakaviana izy, manontany foana matetika ny vahiny hoe nahoana. Angamba iray amin'ireo firenena vitsy manerantany na farafahakeliny 90 isan-jaton'ny mponina ao Myanmar no tsy manana anaram-pianakaviana. Mety samy manana anarana samihafa ny fianakaviana iray ary samihafa tanteraka ihany koa ny halavan'ny anarana. WhatIsMyanmar nanoratra ny...

Mitady Fialofana any Jordania Ireo Syriana An'arivony

Mitarika ireo Syriana handao ny fireneny ny toe-draharaha ankehitriny ao Syria, ka maro ireo lasa namonjy ny firenena mpifanolo-bodirindrina, Jordania. Nanambara ny loharanom-baovao avy amin'ny governemanta  jordaniana fa efa miomana amin'izay mety ho fahatongavan'ireo mpitsoam-ponenena syriana an'arivony ny manampahefana. Nanome alalana an'i ONU hanangana toby fialofana miisa 22 ao avaratr'i Jordania ny governemanta...