Raveloaritiana Mamisoa · Jolay, 2012

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jolay, 2012

Ejypta: Manoro Hevitra Ireo Syriana Ny Ejypsiana

Mizara toro-hevitra amin'ireo Syriana ny Ejypsiana -ao amin'ny Twitter. Amin'ny alalan'ny tenifototra manokana, sy torohevitra manomboka amin'ny hoe “aza maka sary miaraka amin'ny fiara mifono vy” ka hatramin'ny “mandraisa torohevitra avy amin’ olo-kafa.” Taorian'ny vaovao nitranga tao Damaskosy androany atoandro no anton'izany,vaovao mikasika ny nahafatesan'ireo mpikambana ambony telo ao amin'ny presidanza...

Syria: Lazain'ny Mpiserasera Ho Manomboka Ny Fiafaran'ny Fitondrana Bashar

Malaza ny Twitter mikasika ny fanombohan'ny  fihongananan'ny fitondran'i Assad, taorian'ny fipoahana baomba tao Damaskosy izay nahafatesana olona telo mpikambana ambony ao amin'ny presidansan'i Bashar Al Assad. Arwa Damon avy ao amin'ny CNN nitatitra toy izao: @arwaCNN: nilaza ny tafika ao ‪#syria‬ fa fitaovana napetraka tao anatin'ny efi-pivoriana ilay zavatra nipoaka...

Sodàna: Bilaogera Mitantara Ny Famotorana Natao Azy Nandritra Ny Telo Andro

  17 Jolay 2012

 Nosoritan’ ilay bilaogera Sodaney Maha Elsanosi  mazava tsara ny famotorana natao azy izay naharitra telo andro tao amin'ny Sampan-draharaha nasionaly misahana ny Fitsikilovana sy ny Fiarovana (NISS), taorian'ny fisamborana azy tao Sodàna. Tao amin'ny lahatsoratra izay tokony hovakiana, Maha, izay tsy iza fa mpanoratra Sodàna ato amin'ny Global Voices ihany, nitantara toy izao: Nandritra...

Ekoatera: Manao Veloma An’i George ilay Sokatra Manirery

  17 Jolay 2012

George ilay manirery avy ao amin’ny  nosy Galápagos  ao Ekoatera no sokatra  niangana farany tamin’ny karazany. Hita tamin’ny Asabotsy maraina 24 Jiona 2012 teo ny fatiny, tao amin’ny tokontany nonenany misy ny foibe fiompiana sokatra  Galápagos aoPoerto Ayora, Nosin’i Santa Cruz. George no sokatra farany amin’ny karazana Chelonoidis abingdonii, teo amin’ny faha-150 taonany...

Lahatsary: Manampy Ny Irakiana Hody An-Tanindrazana Ny Tetikasa Iray

Miezaka mafy manampy ireo Irakiana miandry ny fahavitan'ny atonta- taratasy fampodiana azy ireo ny Iraqi Refugee Assistance Project IRAP (Tetikasa Fanampiana Ireo Mpitsoa-ponenana Irakiana). Mitantara momba ireo mpitsoa-ponenana ity andian-dahatsary ity ary mampiseho ny politikam-piarovana amin’ny fanomezana solontena ara-dalàna  sy fanampiana ireo mpitsoa-ponenana rehefa tafody soa aman-tsara izy ireo, manampy azy...

Palestina: Noahafana Ilay Mpilalao Baolina Kitra Mahmoud Sarsak

  12 Jolay 2012

Noafahana ilay mpilalao baolina kitra Palestiniana Mahmoud Sarsak omaly  [10 Jolay 2012]. Namoaka ny sariny fiarahabana  azy tongasoa tao Gaza ny pejy Facebook misy ny ekipa Palestianina. Nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009 izy, raha niezaka namonjy ny ekipany tao avaratry ny sisintany nobodoina, nogadraina i Sarsak nanomboka hatreo ary nosokajiana ho...

Fampiasana Ny Fitaovana Fampitam-baovaon'olo-tsotra Miaraka Amin'ny Map Kibera Nandritra Ny Vovonan'ny GV

Rising Voices  11 Jolay 2012

Nandritra ny vovonana nokarakarain'ny  Global Voices tao Nairobi, Kenya tamin'ny 2-3 Jolay. Niara-niasa tamina fikambanana iray tao an-toerana, Map Kibera Trust, ny Rising Voices mba hampihaonana ny vondro-piaraha-monina roa hifampizara traikefa sy handray anjara amin'ny fampiasana ny fitaovana fifampitam-baovaon'olotsotra. Fikambanana ao an-toerana mifototra amin'ny fampiasana sarintany miaty tahirin-kevitra sy fitaovana...

Nikaragòa: Tsy Mijanona Ny Tolona Ho Fampitsaharana ny Fampiasana Ny Ankizy

  11 Jolay 2012

Tsy mora tokoa ny manandrana mampitsahatra ny fampiasana ny ankizy ao Nikaragòa, mampiseho ny antony mahatonga ireo ankizy marobe mbola miasa ity lahatsary manaraka ity na dia teo aza ny fisian'ny lalàna vaovao ....Na dia miasa mandritra ny tontolo andro aza izy ireo ka reraka vao mody an-trano, mirehareha tanteraka amin'ny fanampiany entiny ho an'ny fianakaviany ireo ankizy sy tanora ireo, ary tsy mandray izany ho toy ny "asa" na zavatra manitsakitsaka ny zony.

Syria: Novonoin'ny Jiolahim-boton'ny Fitondrana Ny Renin'ilay Mpamahana Bolongana

Mpamahana bolongana sy  mpikatroka syriana  Marcell Shehwaro, avy any Aleppo, no namoy ny reniny Marina, raha notifirin'ny voakaraman'ny governemanta tao anaty fiara nisy azy vao maraimbe. Miara ory aminy noho izao fahalasanan'ny reniny izao ny mpiserasera manerantany. Avy any Beyrouth, nisioka toy izao ilay mpiara-manorina sy lehiben'ny Fikambanana lehibe Arab Digital Expression,...