Raveloaritiana Mamisoa · Mey, 2011

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Mey, 2011

Maraoka : “I love ‘Kech!”

Ny tanàna lehibe ho an'ny fizahantany be mpitsidika indrindra ao Maraoka, i Marrakech, izay niharan'ny famelezana tamin'ny fanapoahana baomba ny Alakamisy teo, tao amin'ny toeram-pisotroana sy fisakafoanana malaza iray, izay ao amin'ny iray amin'ireo toerana feno olona betsaka indrindra, Djemaa el Fna. Olona eninambinifolo no namoy ny ainy, ny hafa kosa...

Masedoanina: Làlana Vaovao Mety hanimba ny Lovan-kolontsaina

Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny lova ara-kolotsainan'ny firenena ny Lalàna vaovao ao Masedoniana. Vasilka Dimitrovska, mpanoratra ny bilaogy malaza Archaeological Diary, no nanohitra tamin'ny  fametrahana lalàna ankamehana avy amin'ny hevitry ny matihanina iray: Nanao ny Volavolan-dalàna momba ny “fikarakarana zavatra tsy niorina ara-dalàna”, fantatra amin'ny anarana hoe Lalàna ho fampanarahan-dalàna ny fananganana tsy...

Nepal : Azo tapahina ho mariky ny fanoherana ve ny Aterineto

  03 Mey 2011

Nikorontana ireo mpiserasera nepaley, raha nahita fa nanapaka ny fidirana amin'ny aterineto ny “Fikambanana Nepaley Mpanome Tolotra Aterineto” (ISPAN) ny alahady 10 aprily 2011 nanomboka tamin'ny 1 ora hatramin'ny 2 ora atoandro mba ho fanehoana ny tsy fankasitrahany ny fepetra ara-pitsarana noraisin'ny governemanta manoloana ny ” fanodinkodinana tsy ara-dalàna ny antso...