Raveloaritiana Mamisoa · Jona, 2019

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jona, 2019

#GVfamily

Blaogim-Piarahamonina GV  21 Jona 2019

Nahafinaritra izany satria olona nifandray tamiko tamin'ny alàlan'ny mailaka ihany izy kanefa dia nandray ahy toy ny hoe nifankahalala teo amin'ny fiainanay manontolo izahay. Tamin'izany fotoana izany dia fantatro fa tsy ao anatin'ny rafitra lehibe aho - fa ao anatin'ny fianakaviana iray.

Sekoly Serba momba ny asa fanaovan-gazety antserasera

Rising Voices  18 Jona 2019

Natsangan'ilay Serba bilaogera menavazana sady mpankafy mediam-bahoaka, Ljubisa Bojic tao Belgrade, manangona ireo manam-pahaizana momba ny mediam-baovao ao an-toerana tahaka an'i Danica Radovanovic sy Lidija Kujundzic ny Sekoly Serba momba ny Asa Fanaovan-gazety Antserasera mba hampianatra ireo fototry ny fampitam-baovaon'olon-tsotra amin'ireo mpanao gazety nentim-paharazana sy ny Serba sarambabem-bahoaka.

Onjam-peom-piarahamonina ho an'izao tontolo izao avy ao Amazonia Ekoadaoreana

Rising Voices  17 Jona 2019

Natao tao an-tanànan'i Macas, ao amin'ny faritanin'i Ekoadaoro ao Santiago Morona izay tafiditra amin'ny tetikasa " Shuar, Achuar, Kichwa: Ny tantaranay, ny fiteninay ao amin'ny Aterineto" tamin'ny 21-22 Novambra 2014 ny atrikasa fampiofanana faharoa momba ny fananganana tranonkala ho an'ny radiom-paritra ao amin'ny faritra atsimo-afovoan'i Amazôna ao Ekoadaoro.

Blaogy tantaran'i Mokattam

Rising Voices  17 Jona 2019

Tamin'ny taona 1992, nisy horohoron-tany mahery vaika namely ny tanànan'i Kairo, ka 370 no namoy ny ainy, betsaka ny maratra, ary mbola marobe ihany koa no nafindra toerana. Mponina an'arivony no nalaina sy nanomboka nipetraka tamin'ny faritra iray ao amin'ny manodidina an'i Masaken Alzelzal - Alhadba Alwosta eo akaikin'ny tendrombohitra Mokattam malaza.

Chariboan Joi

Rising Voices  13 Jona 2019

Mitrandraka ny fomba fampiasana finday mba hitantarana ny hetsika sy hanampy amin'ny fandraketana ireo angano sy tantara zarain'ireo mpanakanto eo an-toerana amin'ny fitenin-drazana Shipibo sy nadika tamin'ny fiteny hafa ireo mpitati-vaovao nofanina vao haingana avy ao amin'ny Fikambanan'ny Tanora Tompotany ao amin'ny Faritra Ucayali (OJIRU).

Ceasefire Liberia

Rising Voices  13 Jona 2019

Eo andrefan'i Côte d'Ivoire ihany no misy an'i Liberia, izay manana mponina eo amin'ny 3,5 tapitrisa eo ho eo. Nonenan'ireo andevo afaka avy any Etazonia tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-19, tafiditra tao anatin'ny ady an-trano sy korontana naharitra 14 taona i Liberia izay nifarana tamin'ny faran'ny taona 2003 tamin'ny fahatongavan'ny CEDEAO sy ny Firenena Mikambana.

FOKO

Rising Voices  10 Jona 2019

Miaraka amin'ny teny filamatra "mila tanàna kely hanangana hevitra iray", te-hanampy an'i Madagasikara amin'ny alàlan'ny fisarihana ny sain'izao tontolo izao momba ny vahoaka Malagasy ny FOKO.