Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Janoary, 2018
Sary Mampiseho Tovolahy Mijery Afomangan'ny Taombaovao. Nahoana No Milaza Ireo Breziliana Sasany Fa Malahelo sy Mahantra Izy?
Ny olona mijery ny sary dia efa vonona hilaza fa mifandray amin'ny fahantrana sy olona nilaozana ny sarin'ny olona mainty hoditra, kanefa raha ny tena izy, ankizy mainty hoditra fotsiny eo amoron-dranomasina izy. Fanavakavahana ara-drafitra ity fitsarana an-tendrony ity, izay ny faharatsian'ny fampianarana ny vahoaka Breziliana tenany no niaviany.
Polisy Mahafinaritra? Vonona Ho Amin'ny Fiovana Lehibe Amin'ny Taona Vaovao i Ozbekistan
Ny fanamorana ny fiainan'ny olon-tsotra sy ny tolona amin'ny mpandimby ny KGB diso naharitra ela taorian'ny fahaleovantena no nanjaka tamin'ny fandaharam-potoanan'ny lahateny naharitra adiny efatra nataon'ny filohan'i Ozbekistan, Shavkat Mirziyoyev tamin'ny firenena.
Netizen Report: Nosakanan'ny Manampahefana Iraniana Ny Tranonkala Iraisampirenena Sy Ny Sehatra Fandefasan-kafatra
Ny Netizen Report an'ny Global voices Advocacy dia manome topimaso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany.
Nody Niaraka Tamin'ny Praiminisitra Lefitra Rosiana Tokoa Ve Ilay Alika Nijaly Natao Andrana Ara-tsiansa?
Misalasala momba ilay alika natao andrana ara-tsiansa ireo tranonkala miteny Rosiana, maty tokoa ve sa mbola velona ilay alika?
Manery ny Antokon'ny Fitondrana ao Ethiopia Ny Fitomboan-Dazan'ny Mpanohitra
Taonan'ny Fikambanana Demokratim-bahoakan'i Oromo (OPDO) ny taona 2007. Afaka nanozongozona ny marika saribakoly ny OPDO ary hita ankehitriny fa maneho hevitra eo amin'ny politikan'i #Ethiopia.
Aza Antsoina Hoe “Xi, ilay Pao (Mofo)” — Nogadraina Ireo Mpiserasera Shinoa Noho Ny Vazivazy Tamin'ny Karajia
Mampiseho ireo tranga telo ireo fa ny resadresaka amin'ny karajia ao Shina dia eo ambany ny fanarahamaso ary azo ampiasaina ho porofo amin'ny fanenjehana heloka bevava ireo karajia voarakitra.
#FindRaza: Fanentanana Amin'ny Media Sosialy Ho Amin'ny Fiverenan'ilay Mpikatroka Zon'Olombelona Pakistaney
Satria miandry ny fiverenany azo antoka ny fianakaviany, nanao fanentanana amin'ny media sosialy ny mpikatroka mba hanery ny manampahefana handray fepetra. Ny tenifototra #FindRaza no nampiasaina hitakiana ny famerenana azy.
Niteraka Hetsi-panoherana ao Iran Ny Volavolan-Tetibola
Navadikareo ho mpangataka avokoa ny rehetra. Azafady mba lazao an'i Khamenei, lazao amin'ny filoha, lazao amin'ny rehetra, lazao azy ireo fa diso fanantenana izahay. Tsy mila an'ity revolisiona ity izahay. Halanay ireo mpitondra fivavahana.
Mpanao Lalàna Ao Taiwan Mety Haongana Noho Ny Fanohanany Ny Fanambadian'ny Samy Lahy sy Vavy
Manao fampielezan-kevitra mba hanongana mpanao lalàna noho ny fanohanana ny fanambadian'ny samy lahy sy samy vavy ny sasany ao amin'ny Fiangonana Presbyterian ao Taiwan, miteraka adihevitra goavana sy antso ho an'ny fanavaozana izany.
Mizara Turrón de Doña Pepa Ao Colombo
" nanana fahatsapana mahatalanjona aho fa nizara kely ny fireneko tamin'ny olona avy amin'ny saika manerana izao tontolo izao."