Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Aogositra, 2017
Tarika Mpihira Bokanté Manome Hira Amin'ny Teny Kiriolona
Ny fanangaroana ny mozika Afrikana tandrefana, Mississippi Delta blues sy ny gadona Karaiba no mampiavaka ny tarika Bokanté.
Catalina Restrepo Mamaritra Ny ConVerGentes
Niaraka ireo olon-tsotra tia mitati-baovao ao amin'ny ConVerGentes, tetikasan'ny HiperBarrio mba hanao atrikasa momba ny fibilaogina lahatsary.
REPACTED: Ampiasao Ny Fanabeazana Aizana, Atsaharo Ny Fanilikilihana
Mitodika amin'ny zava-bita tamin'ny taona 2008 ny REPACTED, nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices:
Repacted: Nilatro Andriamatoa sy ny Oliravina Fehilamba Mena 2010
Hetsika fanaovana asa soa karakarain'ny vondrona Tanora Nakuru isan-taona ny Andriamatoa sy Oliravina Fehilamba Mena, anisan'izany mpikarakara izany ny Repacted, avy ao Nakuru, Kenya nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices .
Ny Herinandro Tao Amin'ny Bilaogy Palestiniana: May Izao Tontolo Izao
Raha manatelina an'i Libanona ny lelan'ny ady, mbola mitohy ny fanafihana an'i Gaza. Maro amin'ireo namoy ny ainy no zanaka Palestiniana, ny sasany zara raha herintaona monja, ary satria mikarakara handevina azy ireo ny fianakaviana, mametraka fanontaniana lehibe i Haitham Sabbah hoe: "Ahoana no hanadinoantsika? Ahoana no hamelantsika heloka? "
Tantara An-tsary Sy Bilaogy: Tsy Voatery ho Lahatsoratra Lavabe Foana
Amin'ny ankapobeny, mifandray amin'ny lahatsoratra voasoratra ireo bilaogy. Saingy nandritra ny fotoana fohy, misy ny fiovàna mahaliana miseho ao amin'ny tontolon'ny blaogy, ary miovaova kokoa ny fomba ampiasaina. Ao Arzantina, lasa mahazatra kokoa sy imbetsaka ny bilaogy tantara an-tsary.
Fianakaviana An'arivony No Terena Hiala Ny Tranony Noho Ny Tohodrano Sardar Sarovar Ao India
Mandroso amin'ny fanokanana ny tohodrano mampiady hevitra ny manampahefana Indiana, ary fianakaviana an'arivony maro no nandà tsy handao ny tranony ao amin'ny faritra izay ho dibo-drano ka tsy maintsy terena roahina.
Ao Anatin'ny Ezaka Hanafoanana Ny Kolikoly, Nantsoin'ny Filohan'i Ozbekistan ho “Fako” Ireo Mpampanoa Lalàna
Miala tsiny aho, fa tena tsy tiako mihitsy ireo mpampanoa lalàna....efa filohan'ny distrika aho, mpitarika faritany iray ary fantatro tsara ny fomba fitondran-tenan'ireo olona ratsy saina ireo.
Voasivana Tao Ejypta Ny Tranonkalan'ny Vondrona Mpiaro Zo Sy Ny Bilaogin'ilay Mpanao Matoandahatsoratra
Ny 24 May ka hatramin'ny 6 Aogositra, nanakatona tranonkala miisa 133 ny manampahefana Ejiptiana, araka ny filazan'ny Fikambanana ho an'ny Fahalalahan-kevitra sy Fanehoan-kevitra (AFTE),
Nakaton'i India Ny Internet Archive Sy Ny Tranonkala Mpizara Tahiry Maherin'ny 2.600 Mba Hiarovana Ny Bollywood
Toa ny Bollywood no antony nahatonga ny Internet Archive (archive.org) nakatona tao India, tranom-boky nomerika ahafahan'ny olona mahita ireo endrika fitehirizana pejy habaka amin'ny alalan'ny tolotra maimaim-poana antsoina hoe Wayback Machine.