Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jolay, 2017
Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziana sy ny Fifidianana Frantsay
Bilaogera Toniziana marobe no naneho ny fahalianany momba ny fifidianana filoham-pirenena Frantsay. Misy antony maro no mahatonga azy ireo liana amin'izany. Ara-tantara, nozanahan'i Frantsa nandritra ny 75 taona i Tonizia ary manana fifandraisana ara-pitiavana sy fankahalana ny firenena roa tonta, manjaka kokoa ny fitiavana noho ny fankahalana.
Shily: Horohorontany sy Fiakaran'ny Ranomasina
Firenen'ny horohorontany i Shily. Nandritra ny volana vitsy lasa, niharan'ny hetsika horohoron-tany isan'andro ny faritra ao Aysén. Tamin'ny herinandro lasa, niteraka firodanan'ny fiord ny horohorontany mahatratra 6.2 amin'ny maridrefy Richter. Namely ny tanàna kely ao Puerto Tortuga ihany koa ny andiana horohorontany, nandrava zavatra maro nandritra ny fandalovany.
Bukavu sy ny Sisintany Roandey-Kongoley: Tanàna Anaty Ady
Namaritra ny ahiahiany mikasika ny ho avin'i Bukavu i Kakaluigi, misionera katolika nonina tao Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo (RDC) nandritra ny 35 taona.
Tontolon'ny Bilaogy Hindi: Fidiram-bola Amin'ny Dokambarotra, Bollywood sy Tantara Hafa
Tsy manana olana amin'ny fametrahana dokambarotra ireo bilaogera maro manoratra amin'ny teny Anglisy ary maro amin'izy ireo no miteraka fidiram-bola ampy avy amin'ny bilaogin'izy ireo. Saingy tonga ny olana rehefa tsy mibilaogy amin'ny teny Anglisy ianao fa amin'ny teny hafa satria manomboka mihena ny safidinao amin'ny dokambarotra
Iran: Kandidà Reformista Voaràra Tsy Hirotsaka Hofidiana
Nampihena ny fanantenan'izy ireo amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny volana ambony ny Iraniana Reformista rehefa nesorin'ny manampahefana ny ankamaroan'ny kandidàn'izy ireo, anisan'izany ireo Solombavambahoaka sasany sy ilay "Rain'ny ny Repoblika Islamika", zafikelin'i Ayatollah Khomeini. Ao Iran, tsy maintsy mahazo fankatoavana alohan'ny hifidianan'ny vahoaka azy ny kandidà.
Ethiopia: Diabe Manohitra Ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy
Nisy ny diabe nokarakaraina tamin'ny 14 Aprily tao amin'ny Place Merkel, Addis Abeba, Ethiopia. Ity diabe ity dia natao hanehoana fa mbola mety iharan'ny herisetra foana ny vehivavy ary tokony hisy ny fepetra aman-dalàna hiantohana ny fiarovana azy ireo.
Syria: Hetsika Avotsory i Tariq
Malaza ny bilaogy Syriana amin'izao fotoana izao amin'ny fisian'ny famoretana hafa ataon'ny fitondrana Syriana amin'ny fahalalahana miteny. Saingy ny iray taminay indray tamin'ity indray mitoraka ity. Efa teo amin'ny enim-bolana teo ny raharaha Tariq no nanintona ny sain'ireo bilaogera - enim-bolana, mbola any am-ponja i Tariq.
Nakaton'i Kyrgyzstan Noho Ny Antony “Mahery Fihetsika” Ny Archive.org.

Nanapa-kevitra hanakatona tranonkala sy ny tranonkalany malaza 'Wayback Machine' roa taona lasa ihany koa i Rosia.