Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Janoary, 2016
Mpianatra Iray Mandalo Firenena Roa Isan'Andro Rehefa Hamonjy Sekoly
Ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa ao Etazonia, miampita sisintany ao Meksika avokoa ny 70 isan-jaton'ny mpianatra rehefa hamonjy sekoly isan'andro . Fivezivezena lavitry ny mahazatra izany.
Indiana Mpianatra Voahilikilika Sy Nampijaliana Rehefa Nitatitra Ny Herisetra Ara-nofo Nihatra Taminy
Niampanga ny mpampianatra azy ho nanery azy hiray aminy ny mpianatra vehivavy iray ao amin'ny ivom-pampianarana horonantsarimihetsika ao India. Saingy raha nitatitra izany izy, dia nivadihan'ny mpianatra.
Zazakely Teratany Fanahy Iniana Novonoina, Saingy Zara Raha Nahafantatra Ny Fisian'izany i Brezila
Andro mialoha ny faran'ny taona, nampinono ny zanany lahy 2 taona ny vehivavy indizeny iray raha indro nisy lehilahy nanatona azy ireo ary namono ilay zazakely. Tsy nahasarika ny saina tao Brezila anefa izany tranga izany.
Fanantenan'ny Indiana Sy Pakistaney Hiala Amin'ny Fifandrafiana Ho Any Amin'ny Finamanana
"Firenena mpirahavavy i India sy Pakistan. Betsaka ny zavatra iombonana. Tsara kokoa ho an'ny rehetra i India-Pakistan tafaray :)"
Zam Zam Cola, Mariky Ny Fotoana Ara-diplaomatika Mahafinaritra Kokoa Eo Amin'i Iran sy Arabia Saodita
Mihenjan-droa ny tady eo amin'i Iran sy Arabia Saodita. Namarana ny fifandraisana ara-diplaomatika i Saodita, ary nandràra ny fanafarana entana Saodiana i Iran. Ahoana kosa ny amin'ny Zam Zam Cola malaza ao Iran?
Ireto Avy Ny Kandidà Matanjaka Amin'ny Fifidianana Ao Benin Amin'ny Volana Aprily
Ireo kandidà matanjaka mialoha ny fifidianana ao Benin amin'ny volana Aprily.
‘Manao Fotsy Hoditra Fotsiny Ianao Dia Mandresy’ Dokambarotra Voatsiny Ho Mpanavakava-bolonkoditra Tao Thailandy
"Milaza ny dokambarotra Thailandey iray fa afaka ho mpandresy ianao raha fotsy hoditra. Ity no dokambarotra mpanavakava-bolonkoditra indrindra hitako hatramin'izany."
Nidaroka baomba Tanàna Libaney i Israely Taorian'ny Daroka Baomba Amoron-dalana Nolazain'ny Hezbollah Fa Nataony
Nidaroka baomba ny tanàna Libaney atsimo ao Al-Wazzani akaikin'ny sisintany eo anelanelan'ny firenena roa tonta ny tafika Israeliana tao anatin'ny fanafihana valifaty amin'ny antoko politika sady vondrona milisy Hezbollah. Nitatitra ny haino aman-jery ao an-toerana fa nisy ireo naratra.
Amin'ny Politika Repoblikana Ao Etazonia, ‘Tsy Voatery Miala Tsiny Raha Mankahala An'i Iran’
Nanjary lasa adihevitra amin'ny zavatra tsy misy sy fanaratsiana an'i Iran ny adihevitra Repoblikana.
Rosiana Mpijirika No Tao Ambadiky Ny Fanapahana Herinaratra Tao Okraina, Hoy Ireo Mpikaroka
Heverina ho nataon'ireo Rosiana mpisovoka ilay voalaza fa fanafihana ny aterineto izay nitarika fahatapahan-jiro vonjimaika tamin'ny herinaratra Okraniana, araka ny filazan'ireo mpikaroka Amerikana.