Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jona, 2014
Dihy Amin'ny Tsatoby Nandritra Ny Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Ankizy Tao Amin'ny Tanàna Rosiana Iray
Tamin'ny Alahady lasa teo, nankalaza ny faha-277 taona nisiany sy ny Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Ankizy ny tanàna Tolyatti. Niteraka esoeso sy fahatezerana ny fahitana vehivavy nandihy tamin'ny tsatoby tamin'ny fampiratiana fiara.
Fanazavana Sasantsasany Mikasika Ny Fitsipika Vaovao Mifehy Ny Bilaogera Rosiana
Namoaka tahirin-kevitra milaza antsipirihany mikasika ny fomba fampiharana ny lalàna mifehy ny bilaogy izay hanan-kery amin'ity fahavaratra ity farafahatarany ny sampan-draharaha Rosiana misahana ny fandaminana ny aterineto, Roskomnadzor.
Terra Incognita Hoan'ireo Mpisera Google Chrome
Diso fanantenana amin'ireo fantim-baovao mikasika ny toerana sy ny olona izay anisan'ny vaovao mafana ve ianao? Raha izany, mila mametraka ity fanitarana (extension) chrome ity ianao?
Voafehin'ny Mpikomy Islamista Ny Tanànan'i Mosul, Tanàna Faharoa Lehibe Indrindra Ao Iràka
Eo am-pelatanan'ireo mpikomy Islamista ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Iràka antsoina hoe Mosul nanomboka tamin'ny 10 Jiona. Nilaza ny vaovao fa avy amin'ny Fanjakana Islamika ao Irak sy Syria (ISIS) ireo mpikomy.
Pakistan: Mpianatra Baloch Mitokona Tsy Mihinan-kanina Nandritra Ny 45 Andro
Nanomboka tamin'ny taona 2006, nisy ny adim-pahaleovantena vaovao teo amin'ireo separatista Baloch sy ny governemantan'i Pakistan.
Bilaogera Espaniola, Zarao Miaraka Amin'ny Global Voices Amin'ny Alalan'ny #LunesDeBlogsGV Ny Lahatsoratrao
Zarao miaraka amin'ny Global Voices isaky ny Alatsinainy amin'ny alalan'ny fampiasana diezy Twitter #LunesDeBlogsGV ny lahatsoratrao ary haelezo any amin'ny firenena maro sy fiteny maro izany!
Tovolahy Mpianatra Teratany Zambiana Nahazo Sertifika Avy Amin'ny Microsoft
Nahababo ny fon'ny tontolon'ny teknolojia vaovao (TIC) ilay zatovolahy Zambiana fiaviana rehefa tafiditra ho Microsoft Technology Associates (MTA) tanora indrindra tao Eoropa.
Olom-pirenena Zokinjokiny Manoratra Wikipedia
Mandrava ireo sakantsakana hidirana amin'ny teknolojia no dingana voalohany hampidirana an-tsehatra ireo mpikambana be traikefa indrindra ao amin'ny fiarahamonina: ireo zokiolona. Izany indrindra no ezahan'ny tetikasa Wikimédia Tszeky "Olompirenena Zokiolona Manoratra Wikipedia" atao.
Filohan'i Libanona? Eny, Tsia, Angamba…Atao Inona?
Nanamarika ny fahavitan'ny fe-potoana fiasany tamin'ny 25 Mey 2014 taminy alalan'ny sioka ny filoha Libaney Michel Sleiman. Niresaka momba ny fahabangan'ny toeran'ny filoham-pirenena ireo bilaogera sy ny tontolon'ny Twitter
“Akaro Ny Feonao – Fa Tsy Ny Haavon'ny Ranomasina” : Karaiba Sy Ny Andro Manerantany Hoan'ny Tontolo Iainana
Mandray fepetra manoloana ny fikorontanan'ny toetr'andro ny nosy Karaiba. Miresaka momba ny Andro Iraisam-pirenena hoan'ny Tontolo Iainana ny bilaogera ao amin'ny faritra.