Raveloaritiana Mamisoa · Jolay, 2013

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jolay, 2013

Fifidianana Ao Kambodza: Latsa-Bato Ao Amin'ny Facebook

  12 Jolay 2013

Mampiasa Facebook am-pahavitrihana ireo mpiserasera Kambojiana mba hiresahana, hiadian-kevitra sy hizara vaovao momba ny fifidianana solombavambahoaka atao amin'ny 28 Jolay. Mandritra izany, mampitombo ny fisiany ao amin'ny tambajotra sosialy malaza koa ireo antoko politika mba hisarihana ireo tanora mpifidy. Niaiky ny fahadisoany tamin'ny fanambarany vao haingana i Moses Ngeth, mpikatroka...

St. Kitts & Nevis: Eo Am-Panoherana ny Praiminisitra

  07 Jolay 2013

Tsy fahita firy ao amin'ny politika any Karaiba, izay masiaka ny firaiketam-po amin'antoko, saingy tafakatra avo kosa ny fifanenjanana politika ao St. Kitts and Nevis taorian'ny fialan'ny minisitra zokiolona roa tamin'ny Antokon'ny Mpiasa St. Kitts and Nevis mitondra amin'izao fotoana izao izay misy ny Praiminisitra Denzil Douglas. Izany fihetsika izany...

Mifandona Manerana an'i Ejipta ny Mpanohana sy Mpanohitra an'i Morsi

Nitranga androany 6 jolay 2013 ny fifandonana nahiana indrindra eo amin'ny mpanohana ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny mpanao fihetsiketsehana niantsony ny hanonganana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi. Tantarain'ny fantsona fahitalavitra ao amin'ny firenena sy iraisampirenena ny toe-javatra. Farafahakeliny 17 ny olona maty ary mihoatra ny 400 ny mpanao fihetsiketsehana naratra nandritra ny fifandonana manerana an'i Ejipta androany, izay maro amin'ny ao tambajotra sosialy no milaza azy ho "nandrasana" sy "tsy fahita."

Fitsidihana Faharoa Ataon'i Barack Obama Ao Afrika : Hanatratra an'i Shina ?

  05 Jolay 2013

Manantosa fitsidihana any Afrika nanomboka tamin'ny 26 jiona hatramin'ny 3 jolay ny filoha Obama. Ao Afrika atsimo izy amin'izao fotoana izao rehefa avy nitsidika an'i Senegaly. Tanzania indray no firenena manaraka hotsidihany. Ho an'ireo mpaneho hevitra, fanenjehana ny zava-tsy vita ity fitsidihana ity. Miezaka manohitra ny fihazakazan'ny fandrosoan'ny toekarena Shinoa...

Nankalaza Ny Faha-50 Taonany Ny Vondrona Afrikanina

Nankalaza ny faha-50 taona niorenany ny Vondrona Afrikanina (UA), fikambanana lehibe indrindra itambaran'ny firenena Afrika tamin'ny 25 hatramin'ny 27 mey 2013 lasa teo tao amin'ny foibeny ao Addis-Abeba, ao Éthiopia, niteraka adihevitra teo amin'ireo Afrikanina manerana ny kaontinanta ny zava-bita sy ny fahombiazan'ny vondrona. [Amin'ny teny anglisy ny rohy raha tsy...

Naongan'ny Ejipsiana i Morsi sy ny Fitondran'ny Mpirahalahy Miozolomana

Tapaka hatreo ny herintaona nitondran'i Morsi, taorian'ny fihetsiketsehana lehibe nanerana an'i Ejipta niantso azy hiala nanomboka tamin'ny 30 Jona. Ny komandin'ny Tafika Ejipsiana Abdel Fattah Al Sisi no nanambara nandritra ny mivantana minitra vitsivitsy lasa izay fa ny Lehiben'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana Adly Mansour no ho filoha vonjimaika vaovao ary hantsangana ny governemanta teknokraty nasionaly. Nilaza ihany koa i Al Sisi fa mihantona ny Lalampanorenana ary hokarakaraina ny fifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka.

Lalao Video: Zaytoun, ankizy Mpialokaloka Syriana-Palestiniana

Nalaina avy amin'ny lahatsoratr'i Syria Untold ary nadikan'ny Global Voices teny Arabo. Zaytoun, ankizy mpialokaloka Syriana-Palestiniana, no mpilalao fototra amin'ilay lalao video noforonin'ireo vondrona mpikatroka Syriana, Palestiniana ary Espaniola. Amin'ny alalan'ireo sakatsakana handalovan'i Zaytoun, sy ny safidy ataony ary ireo olona tafahaona aminy, natao hahafantarana bebe kokoa ny tantaran'i Palestina...

Tsipahin'i Shina Ny Fiampangana An'i Edward Snowden Ho Mpitsikilo

  02 Jolay 2013

Nitodika tao amin'ny gazety Guardian indray i Edward Snowden, mpanao ampamoaka nampahafantatra momba ilay fitsikilovana ankapobeny ny Aterineto nataon'ny governemanta Amerikana, ka hisahana ny famaliana ireo fanontaniana an-tserasera (fanontaniana-valiny) indray amin'ity indray mitoraka ity, taorian'ny filazan'i Shina fa tsy mpitsikilo ho an'io  firenena io izy. Tsy nahateny nandritra ny nampalaza...