Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Avrily, 2013
#FreeRod (Fanafahana An'i Rodrigo): Fandresena Mialoha Tamin'ilay Raharaha Fakàn-Tahaka Maneso Tamin'ny Twitter
Nitatitra momba ilay mpisera Twitter Shiliana Rodrigo Ferrari, izay manana raharaham-pitsarana noho ny fampiasana kaonty Twitter maka-tahaka maneso ilay milionera Andrónico Luksic ny Global Voices Advocacy tamin'ny volana Marsa. Manam-baovao tsara momba izany...
Indonezia: Fandinihana Momba Ny Andron'ny Fanafahana Ny Vehivavy
Mankalaza ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Raden Ajeng Kartini isaky ny 21 Aprily ny Indoneziana, fanta-daza amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy i Raden. Teraka tanaty fianakaviana andriana manam-pahaizana i Kartini, lehiben'ny...
Adihevitra Saodiana Momba ny Fefy Atsangana Manaraka amin'ny Sisintany 1000 Maily Ifanakalozana amin'i Yemen
Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nitatitra ny BBC fa eo am-pananganana fefy 1000 maily amin'ny sisintany ifanakalozany amin'i Yemen i Arabia Saodita. Zara fa lazaina ao amin'ny gazety nasionaly Saodiana io vaovao io raha miely sy voatsikera fatratra any amin'ny gazety Yemenita.
Mitolona Manohitra Ny Heloka Amin'ny Fomba Amam-panao Ny Gaboney
Nampivandravandra ny lozan'ny famonoan'olona ara-pomba amam-panao ao Gabon ny fandaharana iray amin'ny fahitalavitra Canal Plus. Anisan'ny finoana mahatonga famonoan'olona ara-omba amam-panao ao Gabon ny fakàna taova aminà olona velona iray mba hahafahan'ny olona...
Voaolana? Raiso Ny Vola, Dia Mangina! Hoy Ny Polisy Indiana
Nanome vola mangingina 38 dolara ho an'ny rain'ilay zazavavy 5 taona lasibatry ny fanolanana sy fakàna an-keriny ny polisy ao andrenivohitra Delhi mba hanadinoina ity herisetra mahery vaika ity, niteraka fahatezerana...
Nahazo Zo Tsy Iharan'ny Lalàna ireo Miaramila Ambony Ao Yemen
Nilatsaka ihany nony farany ny didim-panjakana avy amin'ny prezidansa izay efa nandrasan'ireo Yemenita marobe, satria noesorin'ny filoha Yemenita Abdrabuh Mansur Hadi teo amin'ny toerany ny zanaky ny filoha teo aloha Ali Abdullah...
Nifidy ny Kandidà Mpanohitra Capriles Ny Ankamaroan'Ireo Venezoeliana Ao Panama
Nanaraka akaiky ny fifidianana natao tao Venezoelà tamin'ny Alahady 14 Aprily 2013 lasa teo i Panama, izay ahitana mponina Venezoeliana marobe. Nahitana ny fihetseham-pon'ireo Venezoeliàna monina ao Panama ny tambajotra sosialy, tahaka...
Niteraka Hatezerana Tao An-Tanàna Kely Ao Espaina Ny Herisetra Mihatra Amin'ireo Mpifindra Monina
Nazera avy eny ambonin'ny tetezana i Moulaye Ndiaye, mpivaro-mandeha sy teraka Senegaly ny andro mialoha ny fetibe Tomatina [es] 2012 ao Buñol, Valencia, ao Espaina. Teo am-pivarotana ny entambarotra nandritra ny...
Zambia: Nanome Baiko Hisambotra Ireo Vehivavy Manao Fitafiana Tsy Mendrika Ny Mpitsara
Nanome baiko ny polisy hisambotra ireo vehivavy manao fitafiana tsy mendrika (mitanjaka) ny mpitsara vehivavy ao amin'ny fitsarana ambony ao Zambia. Matetika voatebaka imasom-bahoaka ireo vehivavy ao Zambia ary indraindray...
Azia Atsimo-Atsinanana: Fihetseham-po Manoloana Ny Fahafatesan'i Margaret Thatcher
Ahitana fandinihana tsara momba ny ny sombiny amin'ireo fihetseham-po manerana an'i Azia Atsimo-Atsinanana mikasika ny fahafatesan'ny praiminisitra Britanika Margaret Thatcher. Namoy ny ainy tamin'ny 8 Aprily 2013 teo amin'ny faha-87 taonany...