Raveloaritiana Mamisoa · Desambra, 2012

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Desambra, 2012

Manao Diabe Ny Mpifindra Monina Mba Hitaky Fitovizan-jo Ao Brezila

  18 Desambra 2012

Tamin'ny 2 Desambra, nidina an-dalambe ny fihetsiketsehana nokarakarain'ireo mpila ravinahitra monina ao São Paulo mba hitaky ny fananany zo fototra toy ny fahasalamana, fiarovana, sy asa mendrika. Niainga tao Praça da República, ao afovoan-tanàna ny Diaben'ny Mpifindra-monina VI ary nandalo teo anoloan'ny Lapan'ny Tanàna ao São Paulo, ka nijanona tao nandritra...

Andron'ny Zon'Olombelona Ao Emirà Arabo Mitambatra

GV Mpisolovava  16 Desambra 2012

Olona an-tapitrisany no mankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona ka mitaky ny fanafoanana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona misy ankehitriny manerana ny toerana marobe, tsy mba afaka mizaka ny zony momba ny fahalalaham-pitenenana sy ny famoriam-bahoaka ireo mpikatroka ao Emirà Arabo Mitambatra (eny fa na dia mikarakara fihetsiketsehana aza na manoratra...

Pakistana: Nakatona ny Twitter

GV Mpisolovava  16 Desambra 2012

Nakatona ny Twitter tao Pakistana indray alahady. Nilaza ny manampahefana ambony misahana ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena fa nakatona izany satria mandà hanaisotra ireo sioka sokajiana ho manaraby ny Islamo ny Twitter. Nampiroborobo fifaninanana tamin'ny Facebook ireo sioka mba handefa ny sarin'ilay Mpaminany Islamo Muhammad, hoy i Mohammad Yaseen, filohan'ny Fitantanana ny Fifandraisan-davitra...

Hatrany Ivelany Ny Fanoherana Ny Ampihimamban'ny Media ao Taiwan

  16 Desambra 2012

Rehefa nahazo ny 60%n'ny petrabolan'ny fantsom-pahitalavitra andoavam-bola faharoa lehibe indrindra ao amin'ny firenena tamin'ny volana jolay teo ilay orinasa fanaovan-gazety ao Taiwan Want Want China Times Group, dia mbola niitatra izany izy tamin'ny volana Novambra teo, raha nahazo ny 32%n'ny petrabolan'ny gazety be mpividy indrindra Apple Daily [zh], izay an'ny orinasa miorina...

Inona No Nitranga Nandritra Ny WCIT-12: Resadresaka Niarahana Tamin'i Beatriz Busaniche

GV Mpisolovava  15 Desambra 2012

Vao avy nifarana tao Dubai, ao Emirà Arabo Mitambatra ny Kaonferansa Momba Ny Fifandraisan-davitra Iraisam-pirenena (WCIT), fivoriana notohanan'ny Firenena Mikambana. Taorian'ny fifampiraharahana henjana nandritra ny roa herinandro, tsy nisy nipika ny ankamaroan'ny resaka tamin'izany, tsy nahita marimaritra iraisana ireo solontena tamin'ny volavolam-pifanarahana UIT (Firaisambe Iraisampirenena misahana ny Fifandraisan-davitra) , izay tohanan'i Rosia sy Shina, ka hanome...

Andron'ny Zon'olombelona: Miaro Ny Fahalalam-pitenenana, Amin'ny Aterineto Sy Ivelan'ny Aterineto

GV Mpisolovava  15 Desambra 2012

Mankalaza ny Ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona (UDHR), izay nankatoavina tamin'ny 10 Desambra 1948 ny Andron'ny Zon'Olombelona [Human Rights Day]. Nanatontosa horonantsary momba ny zon'ny olona rehetra mba “hahatonga ny feon'izy ireo ho heno eny amin'ny fiainam-bahoaka sy ho tafiditra amin'ny fanapaha-kevitra ara-politika “ ny firenena Mikambana tamin'ity taona ity,” lohahevitra mifandraika...

Global Voices Sy Ny Herin'ny Isika

  14 Desambra 2012

Efa mba voaeritreritrao ve ianao hoe ahoana ny ataonay ato amin'ny Global Voices? Ity ary aseho anao ny ambadiky ny sehatra amin'ny fomba fanangonan'ny mpikambana maherin'ny 700 tantara ao amin'ity fikambanana virtoaly manontolo nefa manerantany. Miara-miasa isan'andro tsy voafefin'ny sisintany, hasin'ora (fuseau horaire), fiteny samihafa ireo mpitarika isan-tsampana, tonia ary mpanoratra sy mpandika lahatsoratra...

Feon'ny Fahamendrehana – Vehivavy Nieren-doza Tamin'ny Ady Mitam-piadiana Tao Kolombia

  14 Desambra 2012

Feon'ny Fahamendrehana, tetikasa marolafy karakarain'ny Ivon-toerana Iraisam-pirenena Ho Amin'ny Fitsarana Tetezamita (ICTJ), mizara ny tantaran'i Yoladis Zúñiga sy Petronila Mendoza, vehivavy Kolombiana roa nitsoaka ny trano fonenany taorian'ny famonoan'ireo milisy mitam-piadiana ny vadin'izy ireo sy ny fanafihana ny tanànany. Tamin'ny faran'ny volana Novambra 2012 no navoaka ny tetikasa, ahitana raki-tsary telo sy lahatsary...

Fiarovana Ireo Anaovana Tsongo Dia Ao Japana

  13 Desambra 2012

Nivory ireo vondrona miiasa sivy ambi-efapolo izay manao fanentanana hanafoanana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ary nanao fanambarana miaraka [ja] izy ireo tamin'ny 19 Novambra 2012, miantso ny amin'ny tokony handraisana fepetra hentitra hanampiana ireo iharan'ny herisetra sy hisorohana ny famonoan-tena ataon'ny mpitsongo dia [na mpitsongo dia]. Natao ny fanambarana taorian'ny loza niseho tamin'ny...