Malagasy citizen, Bachelor of Communication and law masters'degree. I have many years of experience in seo writing, editing and translating. Particularly interested in free expression, education, journalism, social media, human right and international relation. Follow me on my twitter @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.
Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Novambra, 2012
Fampahalalam-baovao Isiraeliana Voatsikera Tamin'ny Fomba Fitantarany Ny Ady Tao Gaza
Rehefa voatsikera ho mandray ny fomba fitantaran'ny governemanta sy ny fiarovantenany amin'ny fanafihana ataony ireo fampahalalam-baovao any Isiraely.
Pakistana: Baomba Dimy Namely Tanàna Telo Tao Anatin'ny Iray Andro
Andro mahatsiravina ny Alarobia 21 Novambra noho ny fanafihan'ny Tallibana ireo Imambargahs, diabem-pisaonana Muharram, sy ireo sampan-draharaha misahana ny fitandroana fahalemana ao Karachi, Rawalpindi, ary Quetta. Vokany, olona 20 no namoy ny ainy ary 43 kosa naratra. Nanaiky mivantana tsy mitsitsy ny mpitondra tenin'ny Talibana, Ehsan Ullah Ehsanor fa izy ireo no tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana...
Diabe Lavitr'ezaka 300 Km Ho Fanoherana Ny Toby Fanadiovana Vovo-tany Ao Malezia
Tamin'ny 13 Novambra 2012, noesorin'ny Fitsarana Ambony Maleziana ny fampiatoana roa volana ny fahazoan-dalana nomena ilay orinasa mpitrandraka Vovo-tany Tsy Fahita Firy, Lynas Corporation, mba ahafahany hitrandraka ny Vovo-tany Tsy Fahita Firy ao Pahang, Malezia. Taitra tamin'ny fahalotoana manimba ny tontolo iainana [zh] avy amin'ny vovo-tany tsy fahita firy ao Shina ny vondrona...
Niafara Tamin'ny Gidragidra Ny Lalao Baolina Kitra Tao Tajikistan
Voatery nofaranana ny lalao baolina kitra tao avaratr'i Tajik, tanànan'i Istaravshan, taorian'ny gidragidra niseho tao amin'ny kianja filalaovana. Tonga tao an-tanàna avaratra ny ekipa Energetic avy ao Dushanbe tamin'ny 8 Novambra mba hanatrika ny lalao nasionaly hifaninanana amin'ny ekipa ao an-toerana, Istaravshan. Ireo vahiny no nahatafiditra baolina voalohany, kanefa nihetsika mafy...
Vehivavy Afro-breziliana, Ngita Volo Sy Fahatsiarovantena Mainty
“Afaka asarakorako ny volo rehefa handeha hianatra, saingy tsy tiako. Satria lasa maina ary manjary ratsy tarehy be. Ratsy be ny voloko”. Ankizivavy kely no nilaza toy izay tao amin'ny habaka-lahatsary fanadihadiana Raíz Forte [pt:Faka Mafy] mikasika ny vehivavy mainty hoditra Breziliana amin'ny fikarakarany ny volony amin'ny sarangan-taona rehetra. Araka ny...
Afrika: Fihazana Tsy Ara-dalàna Ireo Elefanta ao Mozambika
Nitantara momba ny fihazana tsy ara-dalàna ireo elefanta ao amin'ny valan-javaboaharin'i Mareja [anglisy], ao Cabo Delgado, avaratr'i Mozambika ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny gazety @Verdade. Araka ny voalaza ao amin'ny lahatsoratra, andiana mpihaza an-tsokosoko miaraka amin'ny «fitaovam-piadiana arifomba» no « mamono ireo elefanta» ary «maka ampahany goavambe amin'izany» : Isan-kerinandro, biby roa farafahakeliny no vonoina, mba...
Mapa76 : Asa Fanavaon-gazety Angona Mampiseho Ny Fanararaotam-pahefan'ny Jadona Tao Arzantina
Mitàna andraikitra fototra amin'ny asam-panadihadiana fanaon'ny gazety ao Arzantina hanadihadiana ny lasa sy ny ankehitrinin'ny firenena ny fanaovan-gazety angona [journalisme de données]. Paula Gonzalo ao amin'ny Periodismo Ciudadano [amin'ny teny espaniola] nanipika ny asan'ilay mpanao gazety Sandra Crucianelli mikasika izany ary nampahafantatra ny tetikasa Mapa 76, sarintany ahafahana mamantatra toerana sy manangom-baovao mikasika...
Tetikasa Fandikanteny: Fanambarana Fiarovana Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ankapobeny
Nandritra ity herinandro manontolo ity, handika fanangona-tsonia amin'ny aterineto ho fiarovana ny zon'olombelona amin'ny aterineto sy handrisika ireo governemanta mpikambana ao amin'ny Firaisambe Iraisam-pirenena misahana ny Fifandraisan-davitra mba hitandro ny fisokafan'ny aterineto mandritra ny fivoriamben'ny UIT ireo mpilatsaka an-tsitrapo mpandika teny Lingua ato amin'ny Global Voices. Misokatra ho an'ny tsirairay na fikambanana ao amin'ny fiarahamoni-pirenena soniavina ny...
Mpanakanto Toniziana Roa Niatrika Fitsarana Noho Ny Graffiti Nataony
Tamin'ny 3 Novambra, nosamborin'ny polisy ireo mpanakanto mpanao sariitatra, Oussama Bouagila sy Chahine Berriche satria nanao sarisary tamin'ny rindrina tao Gabes, ao Atsimo-Atsinanan'i Tonizia. Mpikambana ao amin'ny Zwewla [ar] [ “ny mahantra” amin'ny fitenim-paritra Toniziana] i Bouagila sy Berriche, fikambanana haikanto eny an-dalambe izay malaza amin'ny fanaovana sarisary eny amin'ny rindrina...
Efa Atsy Ho Atsy Ve Ny Fampitsaharana Ny Poa-basy Hamas/Isiraely?
Niely vetivety tamin'ny aterineto ny vaovao fa hanasonia fifanekena momba ny fampitsaharana ny poa basy ao Gaza ny Hamas sy Isiraely androany alina [20 Nov 2012] ao Kairo, taorian'ny herinandro nisian'ny herisetra. Tao Gaza, Hoy i Ismaeil Mohaisen nitatitra: @IsmaeilFadel: VAOVAO FARANY: hanatontosa valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny lehiben'ny...