Malagasy citizen, Bachelor of Communication and law masters'degree. I have many years of experience in seo writing, editing and translating. Particularly interested in free expression, education, journalism, social media, human right and international relation. Follow me on my twitter @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.
Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Aogositra, 2012
Libya: Afomanga No Nanamarihana Ny Herintaonan'ny Fahafahana Ao Tripoli
Nankalaza ny fahafahan’ ny firenena tamin'ny fitondran'i Muammar Gaddafi nandritra ny 42 taona ny Lybiana androany alina. Nibahana tamin'ny resaky ny mpiserasera ny fankalazana ary nizara ny fihetseham-pony avy izy ireo tamin'izany. Nifanindran-dàlana tamin'ny faha-20 andron'ny Ramadana, volan'ny fifadiankanin'ny Miozolomana ny androany alina, andron'ny fahafahana tao an-drenivohitra Libyana, Tripoli sy andro nandrodanana ny fangejan'i Gaddafi,...
Lahatsary: Tsy Misy Dobo? Tsy Olana! Misy Ny Vahaolana Iadiana Amin'ny Hafanana
Manery ireo olona marobe hitady fomba ialàna amin'ny fiakaran'ny maripàna na hitady fomba hahazoana aina ny tonontaona mafàna ao amin'ny ilam-bolantany avaratra. Mampiseho ny fomba famoronana sy ny fomba tsotra nataon'ny ireo tanora sy lehibe hoentina hiadiana amin'ny hafanana ireto sary sy lahatsary manaraka ireto. Miady amin'ny hafanana amin'ny alalan'ny...
Ejipta: Maizina Ao Kairo
Hafa kely ny lohataona ao Ejipta tamin’ity. Iharan’ny fahatapahan-jiro sy rano miverimberina isan’andro ireo distrika samihafa tao anatin’izay volana vitsy izay. Ary amin’izany, mbola tsy nisy ny fanambarana mazava avy amin’ny manampahefana, fantatry ny olona ihany anefa hoe noho ny fampihenana ny vesatry ny milina mpamokatra herinaratra no anton’ny fahatapahan’ny...
Porto Riko: Nahazo Medaly Alimo i Javier Culson
Nametraka tantara ilay atleta amin’ny Olaimpika Javier Culson (@JavierCulson) tamin’ny nandrombahany ny medaily sabamena (alimo) tamin’ny taranja hazakazaka 400 metatra misy fefy tamin’ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londres. Ity no medaily Olaimpika voalohany azon’i Poerto Riko taminà lalao hafa ankoatra ny lalao ady totohondry. Tamin’ny medaily azon’I Culson, efa fito...
Tonizia: Niharan'ny Herisetran'ny Polisy Ilay Bilaogera Lina Ben Mhenni
Raha nikasa hanatrika fihetsiketsehana milamina tao andrenivohitry Tonizia ilay mpikatroka sady bilaogera Lina Ben Mhenni tamin'ny 5 Aogositra 2012 lasa teo, tsy noeritreretiny mihintsy fa hoavy hanao herisetra aminy ireo izay lazaina fa tokony hiaro ny lalàna sy ny filaminana [polisy]. Nanafika azy ny polisy 10 tamin'ireo. Tao amin'ny lahatsoratra bilaogy mitondra...
Sary Manan-tantara Ho Fankalazana Ny Fikomiana Tao Myanmar 1988
Manamarika ny faha 24 taona nitsingerenan'ny fikomiana goavana teo amin'ny tantara politikan'i Myanmar ny datin'ny 8 Aogositra 2012, – ny Fihetsiketsehan'ny mpanohana ny demokrasia 1988. Na dia nankalaza izany tao anatin'ny fahanginana aza ny vahoaka tamin'ny taon-dasa ka tsy nahitana mpitarika avy amin'ny mpikatroka mpanohitra ny governemanta 88 generation (taranaka 88) izany fankalazana...
Ejypta: “Tsy Ny Vahoakan'i Sinai Rehetra No Mpampihorohoro”
Nisy ny lahatsoratra momba an'i Sinai androany taoriana ny ady notarihan'ny Tafika Ejyptiana tamin'ireo mpikatroka voarohirohy ho tao ambadiky ny fanafihana namoizana ain'olona tao amin'ny sisintanin'i Ejyptiana-Israelita, manampahefana 16 sy miaramila Ejypsiana maro no namoy ny ainy tamin'izany nandritra ny herinandro. Araka ny filazan'ny manampahefana Ejypsiana, miaramila 20 no namoy...
Meksika: Namoy Ny Ainy Ilay Mpihira Ranchera, Chavela Vargas
Namoy ny ainy ny atoandron’ny 5 Aogositra lasa teo ilay mpihira Chavela Vargas, teraka tao Kosta Rika saingy mizaka ny zo maha olom-pirenena Meksikana, nijanona tsy nitempo intsony ny fony teo amin’ny faha- 93 taonany. Fantatra amin’ny hira toy ny hoe “La Llorona” izy, nanjary nahazo laza i Chavela tamin’ny fihirany ilay mozika...
Filipina: Tondra-drano Tao Metro Manila.
Niteraka tondra-drano ny orambe mivatravatra tao amin’ny faritra maro ao Metro Manila sy tao amin’ny faritany akaikin’I Nosy Luzon, ao Filipina. Metro Manila, tanàn-dehibe ao an-drenivohitry ny firenena, izay ahitana tanàna sy kaominina 17. Nanapa-kevitra ny goveremanta fa hatsahatra aloha ny fampianarana sy ny asa na ny an’ny fanjakana izany...
Horonantsary: Nofinofy Amin'ny Olaimpika ao Kolombia
Mampiseho nofinofy feno fanantenana amin'ny fifaninanana Olaimpika ilay horonantsary fohy “Speed” “Haingana” notontosain'ilay mpianatra Esteban Barros avy ao Barranquilla, Kolombia. Ampy ve ny fiezahana mafy, vokatra tsara, sy ny faharetana mba handresena amin'ny fifaninanana? Jerevo ny horonantsary izay maharitra roa minitra.