Malagasy citizen, Bachelor of Communication and law masters'degree. I have many years of experience in seo writing, editing and translating. Particularly interested in free expression, education, journalism, social media, human right and international relation. Follow me on my twitter @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.
Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Janoary, 2012
Kamerona: Nosamborina Fa Voampanga Ho Mpangalatra Ilay Mpanoratra sady Mpamaha-Bolongana Enoh Meyomesse
Enoh Meyomesse, mpanoratra Kameroney no sady mpamaham-bolongana no voasambotra tamin'ny 22 Novambra 2011, tao antseranam-piaramanidina Nsimalen ao Yaoundé, ao Kamerona, raha avy tany Singapore izy. Nampangain'ny fitsarana ady miaramila Bertoua, ao atsinanan'ny firenena, ho nangalatra izy ka notazomina tao amin'ny fonjan'i Nkondengui ao Yaoundé, izay efa feno hipoka araka ny fanadihadiana nataon'ny Amnesty...
Rising Voices: Fifaninanana Volavolan-Tetikasa Hanitarana Ny Valantserasera
Fara-fisoratana anarana: Zoma, 3 Febroary 2012 amin'ny 11:59 hariva ora GMT Anisan'ny andraikitra voalohany sahanin'ny Rising Voices ny manohana sy mandrisika vondrom-piaraha-monina tsy ahitana na tsy manana solontena eto amin'ny tahalaben-tserasera ka fomba iray ahafahan'izy ireo mikirakira fitaovana fampahalalam-baovao an-tserasera ny fametrahana famatsiana ara-bola ireo tetikasa madinika mampiroborobo ny fampiasana...
Syria: Tolona ho amin'ny Fahafahana Sy Famaranana Ny Fahanginana
Hatramin'ny volana Martsa 2011, tonga hatrany Syria ny fitroarana niainga tao Tonizia sy Ejypta, an'arivony ireo namoy ny ainy tamin'izany ary an'aliny kosa ireo nosamborina sy tsy hita popoka. Miatrika famoretana tsy mbola nisy hatrizay sy ady atao amin'ny haino aman-jery hanalana endrika fanoherana amin'ny endriny rehetra ny mpikatroka Syriana....
Venezoela: Niteraka Resabe ny Fitsidihana Nataon'i Mahmoud Ahmadinejad
Tonga tao Venezoela ny filoha Iraniana, Mahmud Ahmadinejad, tamin'ny Alahady 8 Janoary, fitsidihana voalohany amin'ny fitetezam-pirenena ataony izay mbola hitohy ao Nikaragoay, Kiobà ary Ekoatera. Niteraka resabe teo amin'ny valantserasera ny fitsidihana nataony, ka nampametram-panontaniana ny mpiserasera raha hitondra tombotsoa ho an'ny firenena na tsia ny fahantongavany. Tao amin'ny Twitter,...
Ny Lahatsoratra Global Voices Be Mpamaky Indrindra Tamin'ny Taona 2011
Ireo lahatsoratra 20 voalohany be mpamaky indrindra tato amin'ny Global Voices nandritra ny taona 2011 dia ahitana ny momba an'i Japana, telo avy ao Ejipta, ary roa avy ao Filipina. Ary tantara tokana kosa ny momba ilay mamba goavana be [mg]!
Malaza an-Tserasera Ny Mifohaza Meksika! Manohitra Ny Herisetra
Nanaika ny mpanakanto, mpamorona, ary haino aman-jery hanambatra ny heriny ny fisian'ny herisetra sy ny tsimatimanota nandritra ny taona vitsivitsy ka hanao fanentanana hanova ny antontan'isa ho anaran'olona sy tantara. Amin'ny alalan'ny tetikasa ifarimbonana no itadiavany avy amin'ny mpijery azy ireo olona efa niharan'ny herisetra hafa ka hanome feo ireo niharan'ny herisetra ireo....
Yemen: Revolisiona Iray Hafa Mitovy Eny An-dalambe Hatrany Amin'ny Andrimpanjakana
Tao anatin'izay herinandro vitsivitsy lasa izay, niely hatreny an-dalambe ka hatrany amin'ny andrimpanjakana manerana ny firenena ny revolisionan'i Yemen, mitaky ny fanafoanana ny kolikoly eo anivon'ny governemanta sy ny andrimpanjakana. @SupportYemen ni-tweet rohy tao amin'ny Washington Post mitondra ny lohateny hoe “Nipariaka nanerana an'i Yemen ny fitokonana, nanatevin-daharana ny ady amin'ny...
Filipina: Naely An-tserasera Fa Atao Hazalambo Ilay ‘Mpanitsakitsaka ny Zon'olombelona’
Nalefa an-tserasera ny ezaka atao amin'ny fisamborana ilay jeneraly kintana iray Jovito Palparan taorian'ny fivoahan'ny didy fisamborana ity olona voarohirohy ho mpanitsakitsaka ny zon'olombelona ao Filipina ity. Olona niharan'ny tsy fanajana ny zony, vavolombelona, fianakaviana ary ireo mpanohana voatonona farany rehetra ireo no nitaky ny hanaovana hazalambo an'i Palparan satria...
Tonizia: Ny Sivana sy ny Fahalalahana Haneho Hevitra Nandritra ny Taona Lasa
Fahavalon'ny fahalalahana maneho hevitra ny filoha Toniziana teo aloha Zeine El Abidine Ben Ali. Noho ny tetikadiny mavesa-danja, niezaka nanampim-bava ireo rehetra tsy mitovy hevitra aminy foana ny fitondrany. Betsaka ny fandaniana nataon'ny Sampan-draharaha Toniziana misahana ny Aterineto (fantatra amin'ny fanafohezan-teny hoe ATI) mikasika ny sivana atao amin'ny aterineto, eo...
Tonizia: 2011 An-tsary Amin'ny Valantserasera
Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'i Tonizia – taona manan-tantara izay hiraikitra ao an-tsain'ny Toniziana rehetra. Izay nanomboka tamin'ny fipoahana tampoka noho ny fahadisoam-panantenana tao amin'ny faritra Sidi Bouzid izay noadinoina sy natao an-kilabao no nivadika fikomiam-bahoaka ho fanadiovana ny firenena, sy hanonganana ny fitondran'i Zeine el Abidine Ben Ali naharitra...