Malagasy citizen, Bachelor of Communication and law masters'degree. I have many years of experience in seo writing, editing and translating. Particularly interested in free expression, education, journalism, social media, human right and international relation. Follow me on my twitter @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.
Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Aogositra, 2011
Pakistan: Mankalaza ny Fetin'ny Fahaleovantena
14 Aogositra ny Andron'ny Fahaleovantenan'i Pakistan, izay manamarika ny daty nialàna tamin'ny fanjanahana Britanika ary nahatonga azy ho firenena afaka. Amin'ity taona ity, nankalazaina tamin'ny firavoravoana be ny 14 Aogositra, tsy teny an-dalana ihany fa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy ihany koa. Bilaogera mahafatrapo nandefa lahatsoratra momba an'i Pakistan, mivavaka ho amin'ny fandrosoany sy ny fahombiazany.
Zambia: Nametraka ny “Vlaogy” mialoha ny fifidianana ny Mpiserasera
Koa satria moa vonona hiatrika ny fifidianana intelo miantoana manerana ny firenena amin'ny faha-20 ny volana septambra ho avy izao ny Zambiana dia nanapa-kevitra ny hametraka ny hafatra politika sy sosio-ekonomika amin'ny alalan'ny lahatsary Youtube ny mpanao politika Zambiana iray.
Tontolo Arabo: Mijery an'i Londres “May” Amin'ny Valantserasera
Mizara ny heviny mahakasika ilay fandrobana misy ankehitriny ao Grande Bretagne ireo mpisiokantserasera Arabo, fandrobana izay nanomboka telo andro lasa izay taorian'ny namonoan'ny polisy ilay tovolahy 29 taona Mark Duggan tao Tottenham, avaratr'i Londre. Maro ireo tsy nankasitraka ny mpandroba sy ny fanimban-javatra nataon'izy ireo, izay nahahenika ny faritra maro...
Grande Bretagne (UK): May i Londres (Lahatsary)
Nivadika korontana sy fandrobana teo amin'ireo tanora ao an-tanàn'i Londres sy ao an-tanàna hafa ao Royaume Uni ny fahatezerana noho ny famonoana nataon'ny polisy taminà rangahy iray 29 taona tao Tottenham, avaratr'i Londres tamin'ny 4 aogositra 2011. Tao amin'ny Twitter, ampiasana tsy ankiato ny tenifototra #LondonRiots, misy hatrany ny fanehoan-kevitra, tsaho sy...
Côte d'Ivoire : Misaona i Abidjan Taorian'Ilay Loza Mahatsiravina Niseho.
Andro manjombona ho an'i Cote d'Ivoire ny andro Zoma 5 aogositra. Olona 40 no namoy ny ainy ary sivy naratra noho ny fianjeran'ilay fiara tao anaty hantsana Ebrié niaraka tamin'ny mpandeha rehetra tao anatiny fitateran'olona an'ny orinasa mpitatitra Abidjaney (SOTRA) mampitohy ny faritra ao Vridi sy Adjamé . Namoaka didy 3 andro...
Syria : Ramadan mitohy, vono olona mitombo
Mitohy mpandritra ny Ramadany ny fihetsiketsehana miantso ny "fialan" 'ny filoha Bachar Al Assad any Syria. Nitombo ny isan'ny maty ary mitohy ihany koa ny resabe manerana ny tontolo Arabo.
Global Voices Podcast 2: Manome Lanja ny Fitenintsika
Miarahaba antsika rehetra! Hiresaka momba ny Fiteny indray isika amin'ity Global Voices podcast andiany faharoa ity. Azonao jerena ny lahatsoratra maromaro momba ity lohahevitra ity “amin'ny fitenintsika sy ny Aterineto“amin'ny fitantarana manokana nataonay. Ny fomba fiteny, fanoratra, fihetsika, ny firesaka ary fifandraisana ataontsika no toa lohahevitra tsara hiadin-kevitra ka sarotra tokoa...
Kambodza: Nampisy Fanadihadiana ny Vaovao navoakan'ny Bilaogy Iray
Manadihady ny fahafatesan'ny tanoravavy mpanampy iray tany Malezia ankehitriny ny mpanao politika avy amin'ny mpanohitra kambojiana sy nytompon'andraikitra ao amin'ny masoivoho rehefa nitatitra ny fisian'ny fikasihan-tanana tafahoatra mpanampy iray ny bilaogy mpamoaka vaovao iray.
Kenya: Tokony Hanaisotra ny kaontin'i John Mwau ny Facebook
Bilaogera Kenyana Daudi Were no nametraka fanontaniana mahaliana raha toa ka afaka mampihatra ny Dina Kingpin manoloana ny Facebook izay toa hita fa manao afera miaraka amina Kenyana, John Harun Mwau, voatondro ho lehiben'ny mpanao aferan-drongony ao an-toerana ny governemanta Amerikana (Jereo ny “Fanambarana an-gazetin'ny Trano Fotsy). Mandrara ny mpanao aferan-drongony vahiny malaza, ny mpifandray...