Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena
Fiainana, nitsahatra: Aina nafoy tamin'ny fanoherana tao Belarosia
Namoaka lohahevitra iray tao amin'ny Twitter i Hanna Liubakova, Belarosiana mpikambana ao amin'ny Atlantic Council, mpanao gazety sady mpampiofana media, momba ny tranga farany sady nanafintohina indrindra mikasika ireo gadra politika ao Belarosia.
Moa ve mahasakana ny tondra-drano any Bangladesh ny ‘Milin-dranon'i Bengal'?
Nampiseho ny fanadihadiana vao haingana fa afaka hitahirizana ny ranon’orana tafahoatra amin’ny vanim-potoanan'ny orana manaraka ny fitarihana rano ambanin'ny tany hanondrahana ny tany fambolena ao Bangladesh.
Mpikatroka ampolony notanan'ny polisy nandritra ny famorian'ny antoko mpanohitra tany Azerbaijan vahoaka
Araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao ao an-toerana, nanomboka nihodidina ireo mpikambana ao amin'ny antoko sy ireo mpanatrika hafa ny polisy ora maro mialoha ny fihetsiketsehana nokasaina atao.
Famoriam-bahoaka ataon'ireo mpanohana ho firaisankina amin'ny vahoaka Iraniana
Raha nitohy ny hetsi-panoherana tao Iran dia natao tany amin'ny tanàndehibe maherin'ny 150 maneran-tany ny famoriam-bahoaka ho firaisankina amin'ny tolon'ny vahoaka Iraniana ho amin'ny fahalalahana sy ny rariny nandritra ny faran’ny herin’andro.
Tatitra Unfreedom Monitor: Maraoka
Efa vita tatitra ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Maraoka izao. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika pdf feno.
Niala tsiny noho ny fandripahan'olona nandritra ny fanjanahantany tany Mozambika i Portiogaly
Niala tsiny tamin’ny trangam-pamonoan’olona tao Wiriamu, Mozambika niseho tamin’ny 16 Desambra 1972 ny governemanta Portiogey izay nahitana sivily manodidina ny 400 eo ho eo novonoin’ny miaramila Portiogey.
Guarani mpampita hevitra: “Tsy niresaka momba ny vokatry ny afo ny fampitam-baovao”
Taorian'ny fahamaizana goavana tamin'ny taona 2019, notsiahivin'i Diego Encinas fa nitodika tany amin'ny Gran Chaco ny fampitam-baovao, saingy hadinon'izy ireo ny nitantara ny voka-dratsin'izany ankehitriny eo amin’ny zavamaniry sy ny biby ary teo amin’ny vondrom-piarahamonina indizeny rehefa nihena ny afo.
Nipoaka ny fihetsiketsehana tao Iran noho ny fahafatesan'i Mahsa Amini
Nipoaka nanerana an' Iran ny hetsipanoherana noho ny fahafatesan'i Mahsa (Zhina) Amini, 22 taona, taorian'ny nitazonana azy tao amin'ny polisin'ny môraly tao amin’ny firenena noho ny filazana fa nandika ny fitsipika mifehy ny hijab.
Mbola mitohy ny fanakanan'ny Vondrona Eoropeana ny famoahana visa ho an'i Kosovo
Kosovo irery ihany sisa no firenena ao Balkana Andrefana mbola mila visa handehanana any amin'ny faritr'i Schengen.
Mitady mpikaroka ho an'ny tetikasa Global Voices Advox any amin'ny firenena samihafa
Advox, hetsika zo nomerika ataon'ny Global Voices, dia mitady mpikaroka any amin’ny firenena samihafa handray anjara amin’ny tetikasa momba ny fiarahamonina an-tambajotra sy ny tsirefesimandidy.