Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Jolay, 2019
Fifidianana filoham-pirenena amerikanina 2008
Ny Amerikanina ihany no afaka mifidy ny filohan'i Etazonia, saingy nanolotra hirika miavaka tamin'ny fanangonam-baovao manerantany momba ny politikan'i Amerika sy ny politika ivelany ary ny fiantraikan'izay tamin'ny sisa amin'izao tontolo izao ny fifidianana tamin'ny taona 2008.
Ny fandriampahalemana any Afovoany Atsinanana (2007)
Mety mbola hisy ihany ve ny fandriampahalemana any Afovoany Atsinanana? Mbola naneho fifanarahana fandriampahalemana tany Etazonia tamin'ny faran'ny volana Novambra ny mpitondra an'Isiraely sy Palestina (2007), saingy tsy hita mivaingana ny porofon'ny fivoarana. Naneho ny fahadisoam-panantenany sy ny fanantenany ary ny ezaka voalohany nataon'izy ireo ny bilaogera any Afovoany Atsinanana .
GV Connect: Resadresaka nifanaovana tamin'i Mamisoa Isabella
(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Desambra 2014) Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fiainan'ny GV-er tsirairay ny Global Voices, kanefa nampifandray ahy tamin'ny fomba hafa hahitana ny Global Voices ny GV Connect. Avy any Madagasikara, Afrika i Mamisoa Isabella, izay nanomboka nandray anjara tato amin'ny GV ny taona 2011 ary mandika...
Fantaro i Anushe Noor Faheem, Ilay mpanoratra tanora indrindra ato amin'ny Global Voices
(Lahatsoratra tamin'ny volana Desambra 2014) Iray tamin'ireo fihaonana mahafinaritra virtoaly an-tserasera ny nahafantarako an'i Anushe, indrindra fa amin'ny maha tanora mpikatroka azy avy any Pakistana. Mpanoratra tanora indrindra ato amin'ny Global Voices izy ary nanatevin-daharana ny vondrom-piarahamonina volana vitsy lasa izay. Fahafinaretana ho azy ny manoratra ho an'ny Global Voices,...
Lully Posada: Tiako ny Global Voices
Anisan'ny tambajotra Hiperbarrio (iray amin'ireo mpandray fanohanana avy amin'ny Rising Voices) aho izay nandaniako telo taona tamin'ny fanampiana mavitrika tamin'ny fampiofanana sy ny fifandraisana tao anatin'ireo vondron'olom-pirenena Convergents, Villactivos ary The Esperanza. Tena nahatalanjona ny fifandraisana sy ny fifampianarana: ¡nanapongatra Vondrom-piarahamonina!
Mitsena ny taona 2016 miaraka amin'ny mpandray anjara Global Voices
Momba ny fampiasana sary ao anaty lahatsoratra avokoa no hita tao amin'ny torohevitra fandefa isan-kerinandro ho an'ny herinandro voalohany tamin'ny volana Janoary 2016. Jereo ary ny fomba handraisan'ny namantsika sasany ny Taombaovao.
Ny mpanolotsaiko tato amin'ny Global Voices: Preetam Rai
Ny mba havitrika ivelan'ny sehatra an-tserasera ary hiseho sehatra amin'ny lanonana eo an-toerana sy iraisampirenena no toro-hevitro ho an'ny mpandray anjara ato amin'ny GV - Heveriko fa tsy fahita firy sady tsy manan-tsahala ny fahafantarana ny kolontsaina ao an-toerana izay hananantsika amin'ny maha mpikambana ato amin'ny GV antsika.
Anne Hemeda: Ny lesoko momba ny fahamendrehana
Efa mpamaky mpankafy efa nandritra ny taona maro aho raha nanomboka ho mpandika teny mpilatsaka an-tsitrapo ho an'ny Global Voices. Lahatsolatra tselatra nosoratan'i Rami "Lesona momba ny fahamendrehana avy any Syria" ny lahatsoratra nadikako voalohany.
Mampiseho ny fanaovan’ny governemanta antsirambina ny toeram-bakoka any Bangladesh ny fandravana ny tranobe tranainy efa 150 taona
"Nanana endrika niavaka izay tsy fahita firy amin’ireo tranobe hafa hita any amin’ireo faritra tranainy ao Dhaka ny tranobe. Noho izany, nilaina ny fanarenana azy."
Ny zavatra maro ataon'i Gabriela García Calderón
Iray amin'ireo mpanoratra sy mpandika teny mavitrika indrindra ato amin'ny Global Voices i Gabriela García Calderón. Tia ny mamaky sy manoratra tantara momba ny fiainana andavanandron'ny olon-drehetra manerana an'izao tontolo izao ity mpisolovava ity.