Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Febroary, 2018
Zimbaboe: Voasakana Ny Bilaogiko!
Ny Zoma 20 Martsa 2009, voasakana ny bilaogy Zimbaboeana, Peace, love & happiness unto the whole world . Namoaka lahatsoratra fohy momba izany ny mpanoratra ny bilaogy, Eusebia, ary nilaza hoe: "...Tsy manaiky ny ho voasivana aho na ampitahorina hangina satria fantatro ny zoko maha-olombelona manana fahalalaham-pitenenana ... "
Mitaky Ny Rariny Ilay Olona Niharan'ny Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Sady Miatrika Fanehoan-kevitra Manavakava-bolonkoditra Ao Amin'ny Media Sosialy Tao Myanmar

Ny fanehoan-kevitra feno fankahalàna nanafika ilay nanao fitarainana noho ny endri-piaviany, ny volokodiny, ary ny mari-panondroana azy ara-poko no lasa nanjary nalaza kokoa noho ilay olana voalohany tamin'ny herisetran'ny mpitandro filaminana.
Somalia: Mampiasa Tanora Keniana Hiady Ve Ny Governemanta?
Ity no famintinana voalohany tamin'ny bilaogy Somaliana ny taona 2009. Eny, nandritra ny herintaona mahery ny mpamorona ity lahatsoratra ity no niala tamin'ny bilaogy saingy niverina soamantsara izy.
Shina Sy Japana: Ny Adin'ny Sarimiaina
Nandefa ny fizarana miisa 36 amin'ilay sarimiaina 3 D "Ny Miaramila Devoly Ao Amin'ny Tendrombohitry Mao-er" (帽 兒 山 的 鬼子兵) tamin'ny volana Oktobra ny CCTV ao Shina nandritra ny fankalazana ny Fetim-pirenena. Novokarin'ny orinasa iray any Heilongjiang ilay sarimiaina ...
Maraoka: Sazy Maivana
Tamin'ny volana Septambra 2009 dia fantatra fa niharan'ny daroka mafy nandritra ny naha-mpanampy an-trano azy i Zineb Chtit , tovovavy Maraokana iray. Nambara fa hosaziana telo taona an-tranomaizina sy ny lamandy mitentina 13.000 $ ilay olona nikasi-tànana an'i Zineb, Nawal Houmin, vadin'ilay rangahy mpampiasa azy.
Kambodza: Nomem-boninahitra Tamin'ny Loka Ilay Afaka Tamin'ny Fanandevozana Ara-nofo
Mpikatroka miaraka amin'ny Orina Mpanasoa Somaly Mama i Sina Vann avy ao Kambodza, manampy ireo avotra tamin'ny fanandevozana sy ireo mbola miasa ao amin'ny trano fivarotan-tena. Nomem-boninahitra hahazo ny loka Frederick Douglass izy tamin'ny asany.
Nanohana An'i Macron Tamin'ny Fampielezan-kevitra Ve I Arabia Saodita? Tsia.

Ny tranonkala nahitàna ny tantara anefa dia dika mitovy voarindra tamin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny gazety Belza Le Soir - manana rohy hafa.
Tonga Hatrany Amin'ny Oniversiten'i Shina Ny #MeToo ( Izaho Ihany Koa) Na Dia Teo Aza Ny Ezaky Ny Mpanivana Ny Aterineto

Taorian'ny volana maromaro nisian'ny sivana, nanery ny fifanakalozan-kevitra hisokatra ny fitantaran'ny mpianatra iray niparitaka be momba ny fanerana ara-nofo nataon'ny mpampianatry ny oniversite fanta-daza iray.
Nanohana An'i Emmanuel Macron Ve Ny Al-Qaeda? Tsia

Tsia, ny lahatsoratra izay voalaza dia nifantoka tamin'ny fanambarana nataon'i Macron nandritra ny fitsidihana an'i Alzeria izay nilazany fa toy ny "heloka bevava atao amin'ny olombelona" ny fanjanahantany.
Fantaro Ilay Mpanoratra : Marietta Le
Nanatevin-daharana ny Global Voices i Marietta rehefa avy nanatrika ny Vovonana Global Voices 2008 tany Budapest raha nanangom-baovao momba ilay hetsika izy amin'ny maha mpanao gazety azy ho an'ny gazety iray ao an-toerana. Tian'i Marietta ny fomba fampiasan'ny Global Voices ny teknolojia mba handrisihana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo vondrom-piarahamonina samihafa.