Liva Andriamanantena · Septambra, 2017

Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Septambra, 2017

Sary Avy Any Azia Atsimo

  19 Septambra 2017

Nanapa-kevitra ny handeha lavidavitra kokoa aho hanaovana ny lahatsoratro voalohany tato amin'ny Global Voices ary hizaha ny zana-kaontinanta amin'ny alalan'ny fomba fijerin'ny hafa. Miraondraona miaraka amin'ny resaben'ny fakantsary sy ny fitselatry ny 'flash' ireo bilaogin-tsary any Azia Atsimo;

Ny Tanànakely Shinoa Ao Grenada

  19 Septambra 2017

Sarin'ny fotodrafitrasa atsangana miaraka amin'ny famatsiam-bola, ny fahaiza-manao ary ny herin'ny mpiasa avy amin'ny Repoblika Entim-Bazhoakan'i Shina... ary hamantarana ihany koa ny fomban'ny Shinoa

Zimbaboe: Tsiaro Ny Murambatsvina

  18 Septambra 2017

Ny 18 Mey 2005,  nanomboka ny fandrodanana tanteraka izay heverina ho trano fonenana tsy ara-dalàna ny polisy tao Harare. Ankoatra ireo mpivarotra eny an-dalambe, eny fa na dia ireo izay mivarotra ara-dalàna  aza dia nosamborina sy nampandoavina lamandy, ary nalaina ny entany sy ny fananany .

Ny Fifamoivoizana Any Vietnam

  18 Septambra 2017

Mety ho nofy ratsy ho an'ny sambany mitsidika an'i Vietnam ny fifamoivoizana. Na mino izany ianao na tsia, manana ny lalànany ny fitaterana kanefa tsy liana amin'ny fanarahana azy ireo ny olona. Efa mahazatra ny mahita ireo olona telo na efatra mitaingina moto iray.

Trinite: Hanuman murti

  18 Septambra 2017

Miorina ao Carapichaima, Trinidad, ity murti manana halavana 25 metatra ity ary maneho ilay andriamanitra Haindò Hanuman izay malaza noho izy lehibe indrindra amin'ny karazany aty ivelan'i India.

Bilaogy Armeniana Miresaka Fidarabohan'ny Armavia

  16 Septambra 2017

Nianjera tany amin'ny Ranomasina Mainty ny fiaramanidina Airbus A320 an'ny zotram-piaramanidina Armeniana Armavia ary mpandeha miisa 113 niaraka tamin'ny ekipan'ilay zotra no maty tamin'izany, izay azo lazaina ho fianjeran'ny fiaramanidina ratsy indrindra nisy teo amin'ny tantaran'i Armenia.

Manapariaka Ny Bilaogy Aty Afrika Amin'ny Alàlan'ny Onjampeo

  16 Septambra 2017

Mety miahiahy angamba ny mpihaino sasany  - "be pitsony loatra ny famahanana bilaogy ... aiza ny fahafahana hifandraisana, mbola lafo vidy ny aterineto, " izany no fanehoan-kevitry ny mpihaino iray - kanefa mampiseho ny fandaharan'ny Onjampeo BBC World Tambajotra Afrika fa zava-misy ary anisan'ny miroborobo ny famahanana bilaogy eto Afrika .