Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Liva Andriamanantena · Mey, 2019

imailaka Liva Andriamanantena

Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Mey, 2019

Iran: Niverina nanohy ny asany ilay tranonkalam-baovao Ilna

(Lahatsoratra tamin'ny volana Jolay 2008) Niverina nanohy ny asany ny Ilna, Sampam-baovao Miresaka Asa Iraniana, rehefa voasivana nandritra ny volana maromaro.

Ejipta: Navotsotra ilay bilaogera Kareem El Beheiry

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Navoaka tao am-ponja ny 2 Jona 2008 ilay bilaogera Ejiptiana Kareem El Beheiry . Nosamborin'ny polisy Ejiptiana i Kareem noho ny fifandraisany tamin'ny fitokonana ny 6 Aprily ho fanohanana ireo mpiasan'ny orinasan'ny lamba ao an-tanàndehiben'i Mahalla.

Famintinana ny Vovonan'ny Fampahalalam-baovaon'Olon-tsotra Global Voices – Andro faharoa 

Find out what happened on the second and final day of 2012's Global Voices Citizen Media Summit. Jereo ny fizotran'ny andro faharoa sy farany tamin'ny Vovonan'ny Fampahalalam-baovaon'Olon-tsotra Global Voices 2012.

Nihaona manokana izahay mialoha ny Vovonana

Tao anatin'ny telo andro mialoha ny nanombohan'ny Vovonana Global Voices 2012, manodidina ny 160 ireo mpanoratra, toniandahatsoratra, mpandika teny sy ny hafa izay mandray anjara amin'ny fanodinana ny Global Voices isan'andro no nanao fivoriana anatiny manokana.

Atrikasa Advox: Roger Dingledine miresaka momba ny Tor sy ny fanoherana ny sakana

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2008) Topi-maso fohy momba ny tambajotra Tor sy ny rafitra fanoherana ny sakana ao aminy  Ahoana ny hevitsika momba ny rindrin'afon'ny governemanta, ny fomba fiasan'ny fandinganana ataontsika, ary aiza ho aiza ny misy azy hatramin'izao. Ary raha mety dia resahina ny fomba hitrandrahana tsara kokoa...

Atrikasa Advox: Nart Villeneuve miresaka ny fitsapana fisian'ny sivana amin'ny aterineto

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2008) Fitsapana fisian'ny sivana amin'ny aterineto Teknika vitsivitsy azon'ny olona ampiasaina hampitomboana ny fahamarinan'ny tatitra momba ny sivana. | Jereo | Jereo koa ny anao

Fampianarana ny fiteny Swahili ho an'ny mpandray anjara ny fihaonambe

Nanokana ireo andro farany vitsivitsy tamin'ny fanomanana ity fanomezana tsy nampoizina kely ity ny ekipa vitsivitsy avy amin'ny mpanoratra sy ny toniandahatsoratra tato amin'ny Global Voices nandritra ny Vovonana Global Voices 2012 : ny "Swahili ho an'ny Torolalan'ny Mpandray Anjara tamin'ny Vovonana". Alaivo ary ankafizo!

Atrikasa Advox: Rob Faris miresaka ny fanivanana ny aterineto

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2008) Ny hoavin'ny sivana amin'ny aterineto sy ny andraikitry ny mpikatroka amin'ny fandraketana momba ireo fanivanana. Ny lafiny fiovana ara-politika, ara-pitsarana, ara-tsosialy ary ara-teknika amin'ny fanivanana ny aterineto ary ny adihevitra momba ny fitaovana vaovao nozaraina izay narafitray hanangonana torohay momba ny sivana manerantany. |...

Konferansa Advox: Andrey Abozau miresaka ny toe-draharaha Belarosiana

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2008) Resadresaka nifanaovana nandritra ny Vovonana Global Voices tamin'ny taona 2008 “Mankany amin'ny tambajotra  miady amin'ny sivana manerantany” tamin'ny 27 Jona 2008   | Jereo | Avoahy koa ny anao  

Mampiseho ny fomba fampiharana ny fitsipiky ny sivana any Shina ny lalao vaovao ao amin'ny Tencent

Manery ny mpamokatra lalao hampiroborobo ny soatoavina, ny kolontsaina ary ny sary Shinoa amin'ny alalan'ny lalaony ilay fitsipika vaovao.