Liva Andriamanantena · Jolay, 2018

Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Jolay, 2018

Ny tarika Paniagua

Rising Voices  27 Jolay 2018

Zavatra iray ho tsikaritrao avy hatrany raha mitsidika ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra ao La Loma ao Medellín, Kolombia ianao dia saika manana anarana telo na efatra mitovy avokoa ny vondrom-piarahamonina iray manontolo . Ny iray amin'ireo mahazatra indrindra dia ny hoe "Paniagua" -  izay hazavain'ny bilaogera sady mpiangaly mozika manan-talenta Dneiber Sady ao amin'ny horonantsary etsy ambony ny tantara nahatonga izany .

Koety: Nankalaza ny faha 29 taonany ny tilikambo

Nanamarika ny faha-29 taonany tsy nisy fankalazana firy ny Tilikambon'i Koety, vakoka lehibe indrindra ao amin'ny firenena. Saingy tsy nanadino an'io fotoana io ny bilaogera iray araka ny nosoratan'i Abdullatif Al Omar izay mitondra antiksa ihany koa any amin'ny fihaonan'ny bilaogera... sy mizara amintsika ny zavatra hita tany amin'ny tranon-tsinema.

Asandratry ny FOKO ny Firenena Mikambana

Rising Voices  24 Jolay 2018

Araka ny nofariparitan'i Joan Razafimaharo tao amin'ny bilaogin'ny tetikasa FOKO, dia nanatontosa ity horonantsary ity ny vondrona mpianatra ambaratonga ambony ao amin'ny Klioban'ny Firenena Mikambana hankalazana ny fotokevitra ara-tsosialin'ny Firenena Mikambana. Nalefa nifaninana tany amin'ny Film Your Issue (Alao sary ny olanao/lohahevitrao) ny horonantsary.

Myanmar: Ny fetiben'ny Thingyan 2007

  22 Jolay 2018

Ny volana Aprily no volana tena mahafinaritra indrindra hatrany isan-taona ho an'ny Birmana, satria io no volana hankalazana ny Thingyan - ny fetiben'ny rano -. Io ihany koa no fiandohan'ny taona vaovao ao amin'ny alimanaka Birmana.

Myanmar: Sary sy rohy famintinana

  21 Jolay 2018

(Marihina fa tamin'ny 8 May 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy) Nahita sary tsara tarehy vitsivitsy avy amin'ireo bilaogera ao Myanmar aho ka nangoniko izy ireo ho toy ny sary sy rohy itetezana ny lahatsoratra. Ity sary ity dia avy amin'ny bilaogy fifty viss izay nandefasan'ilay bilaogera Aung Kyaw ny...

Panama: Zavatra mahavariana eny amin'ny lalambe

  21 Jolay 2018

Indraindray rehefa mandeha fiara amin'ny làlan'i Panama dia mahita zavatra hafahafa tokoa. Raha tsy nisaraka tamin'ny fakantsary teny an-tanana i CaDs  dia nahazo ny sarin'ny lehilahy iray natory tamin'irony 'hamac' (fatoriana mitsingevana) irony taorian'ny kamiao iray am-pandehanana izy.