Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Novambra, 2017
Ny Hopitalin'i Bagram Ao Egypta
Nanamarika ity lahatsoratra manaraka ity ho toy ny "resaka momba ny fitaomam-panahy" i Jessyz ao amin'ny bilaoginy Chocolate Mints in a Jar ("Boati-tsôkôla misy solila") , bilaogy iray amin'ny teny Anglisy:
Iran : Naiditra Am-ponja Ny Dokotera Manampahaizana Roa Manokana Momba Ny Sida
Nanambara ny fisamborana tany Teheran ireo dokotera mpirahalahy Arash sy Kamyar Alaei, izay manampahaizana manokana momba ny SIDA / VIH nanomboka tamin'ny volana jona 2008 ny Global Voices.
Meksika-Etazonia: Lahatsary Avy Amin'ny Andaniny sy Ankilan'ny Sisintany
Frontera Filmmakers dia tranonkala mampivondrona ireo mpamokatra horonantsary avy amin'ny andaniny sy ankilan'ny sisintanin'i Meksika sy Etazonia, izay mirefy 625 kilaometatra manelanelana an'i Arizona sy ny tany efitra Sonoran, ary mampiseho ny hetsiky ny olom-pirenena isankarazany. Ireto misy lahatsary miisa telo izay anisan'ireo atolotry ny tranonkala.
Syria: Nanangana Ny Klioban'ny Mpamaky Boky Ireo Bilaogera
Sambany no manolotra ny hetsika mamelombelona teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Siriana ny vondrona bilaogera Siriana dia ny fananganana ny vondrona mpamaky boky antserasera izany. Misafidy ny boky izay vakiany ireo mpandray anjara ary mamoaka ny heviny ao amin'ny bilaoginy manokana folo andro aty aoriana. Manana ny tranokalany ho azy manokana ny klioban'ny mpamaky boky.......
Egypta : Fihazakazahana Mankany Amin'ny Volamena
Toa niantraika tamin'ny fiainan'ny olona tsirairay teto amin'izao tontolo izao ny krizy ara-toekarena izay nampihovitra ny tsena amerikana , anisan'izany ny fanapahan-kevitr'ireo mpiasa sy ny olona izay tsy manana fifandraisana amin'ny raharaham-barotra.
Canada: Ireo Nanjavona Teny Amin'ny Lalàmben'ny Yellowhead
Nisarika ny saina tamin'ny lahatsary fanadihadiana Kanadiana izay mitantara ny fanjavonan'olona sy ny famonoana ireo vehivavy mihoatra ny dimy tao amin'ny foko Indiana tany Kanada tao anatin'ny ny telopolo taona farany ny vondrona vehivavy mpanatontosa sarimihetsika Women Make Movies.
Afovoany Atsinanana: Afaka Mampiroborobo Ny Revolisiona Sosialy Ve Ny Bilaogy?
Namerina namoaka ny lahatsoratra iray avy amin'ny tranokalan'ny fantsom-baovao CNN ilay bilaogera Saodiana Esam Mudeer ary nametra-panontanina - tamin'ny zava-niseho tamin'ny herinandro lasa teo tany amin'ny tontolo Arabo - raha toa afaka mandray anjara amin'ny revolisiona sosialy ny bilaogy Arabo.
Egypta: Navotsotra Rehefa Noferana Fa Tsy Hamahana Bilaogy Intsony Ilay Bilaogera
Nilaza tamin'ny gazety mpivoaka isan'andro Add-Dostour i Mohamed fa novotsoran'ny polisy izy rehefa nanaiky ny hanao sonia ny fanolorantena tsy hanavao intsony ny bilaoginy na ny kaontiny ao amin'ny Facebook, ary tsy hifandray intsony amin'ny ONG na ny mpanao gazety.
Afganistana: Nahena Ho 20 Taona Ny Sazin'i Sayed Pervez Kambakhsh
Nanafoana ny fanamelohana ho faty ho an'ilay mpianatra mpanao gazety voampanga ho naniratsira fivavahana tamin'ny fametrahana fanontaniana tao am-pianarana momba ny zon'ny vehivavy araka ny Islamo ny Fitsarana Avo ao Afganistana. Saingy mbola nanameloka azy 20 taona an-tranomaizina ny mpitsara.
Hong Kong: Voarara Ilay Dokambarotra Halloween
Mikarakara fety ho an'ny Halloween mba hisarihana mpitsidika maro isan-taona ny Zaridaina Fitsangatsanganana Ocean Park any Hong Kong . Matetika anefa dia miatrika tsikera avy amin'ny vahoaka ny dokambarotra ho an'ity hetsika ity. Norarana ny sasantsasany tamin'ireo lahatsariny tamin'ity .........