Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Avrily, 2017
Ny Tetikady “Vahiny Fahavalo” Mahazatra an'i Meksika
" Tonga niaraka tamin'ny daozin'ny tsindrona, niampy volana maromaro tamin'ny fanamafisana ny lahateny fampikoropahana tany Etazonia talohan'ny fifidianana ny tetikady talohan'ny nandefasana izany ho an'izay tokony hiantefany."
Fantaro i Endalk Chala sy Omar Mohammed, Ireo Toniandahatsoratra Vaovaon'ny Global Voices Afrika Atsimon'i Sahara
Manana vaovao lehibe izahay! Mpikambana roa ato amin'ny vondrom-piarahamonina dia i Endalk Chala sy Omar Mohammed no miezaka handimby ny toeran'i Ndesanjo Macha ho toniandahatsoratra vaovao an'i Afrika Atsimon'i Sahara !
Milaza Ireo Afrikana Tatsimo Sasany Fa Tsy ny Filaharan'ny Famatsiam-bola Fotsiny Ihany no Tratran'ny Tsy Fanjariana ao amin'ny Firenena
Miampanga ny filohan'ny firenena izy ireo, ny hantsana ara-tantara sy mitranga ankehitriny , ary ny sampan-draharaha mpanadihady ny tahan'ny fampindram-bola manokana rehefa navarin'ny &P Global Ratings sy ny Fitch i Afrika Atsimo.
Namoaka Boky Mirakitra ny Tantaran'ny Wikipedia Amin'ny Teny Arabo Ny Wikimedia Am-piposahan'ny Masoandro
Nivoaka ny boky voalohany mitantara ny tantaran'ny Wikipédia, iray amin'ireo boky vitsy an'isa eto amin'izao tontolo izao mirakitra ny rakipahalalana.
Maha-Aro ny Mpanao gazety Manoloana ny ‘ISIS An-Tanindrazana’ ao Chechnya Ve I Rosia?
Nilaza i Alexey Venediktov, iray amin'ireo mpanao gazety fanta-daza indrindra ao Rosia , fa toa mamela ny "ISIS an-tanindrazana" hipongatra ao Chechnya ny governemanta Rosiana .
Manohy Ny Antsony Mba Hanaovan'i Etazonia Fizahana Ifotony ny Trosam-panjakana ny I Puerto Rico
Nandevozina sy nendahina izahay. Mandà ny handoa ny trosa tsy anay izahay vahoakan 'i Puerto Rico. Tsy manaiky ampisafidianana na fanabeazana na fahasalamana izahay. Tsy ahena ny fisotroan-drononon'ireo zokiolona. Mitaky hetsika avy hatrany izahay.
Hita Hifaninana Amin'ny Fifidianana Ho Filoham-Pirenena ao Iran ny Filoha Malaza Ahmadinejad sy Ilay Favori-n'ny Mpitondra Faratampony
"Amin 'ny anaran' Andriamanitra, tratran'ny rarintsain'ny fifidianana aho. Miharatsy ankehitriny ny fepetra ho an'ny tony fihetsika."
Nanakana Ny Zello Fampiasa Talkie-Walkie I Rosia Rehefa Nitokona Ny Mpamily Kamiao
Nanambara drafitra hanakanana ny Zello ny mpandrindra ny fampitam-baovao ao Rosia ny alatsinainy teo, fampiasa push-to-talk [tsindrio iresahana] iray amin'ny finday, izay nampiasain'ny mpamily kamiao manao dia lavitra ao Rosia mba handaminana ny hetsi-panoherana tato anatin'ny volana, anisan'izany ny fikarakarana ny fitokonana mandritra ny telo herinandro.
Miverina Indray Ny Politikan'ny Astroturf Rosiana
Talohan'ny namoahana an'i Alexey Navalny tany am-ponja tamin'ny Alatsinainy, natao lohateny lehibe ny "fihetsiketsehan'ny mpianatra" nokarakaraina hanamaloka ny fiverenany hiseho vahoaka.
Fikambanana Miezaka Mamerina ny Asan'Ireo Mpifindramonina Tany An-Tany Nialàny
Miezaka hanampy ny olona mpifindramonina hahazo indray ny asany teo aloha ireo Foibe "Tongasoa Indray" na dia eo aza ny sakantsakana isan-karazany... Mba tsy ho very maina ny fahaizana norantoviny tany an-tanindrazany.