Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Liva Andriamanantena

imailaka Liva Andriamanantena

Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena

03 Oktobra 2018

Madagasikara : Rivo-piainana hafahafa tamin’ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena

Faha-50 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny 26 Jona 2010, ary efa nanomboka sahady ny fety. Kanefa toa ohatran’ny tsy tena fety ny rivotra niainana, noho ny fisalasalana ara-politika ary ny fahasarotana ara-toekarena.

Shina: Ny fandravan-trano an-tery

Nisarika ny saina momba ny fiarovana ny zon'ny olom-pirenena sy ny famahana ara-drariny ny olana ny tranga roa nahitana ny fandravan-trano an-tery. Naneho fanehoan-kevitra sy fihetsem-po maro ny mpisera Aterineto Shinoa.

Singapaoro: Teratany Soisa voampanga ho nanapotika fiarandalamby

Ny 17 May 2010, nandrava ny sakana manodidina ny fanatobian'entana ao amin'ny  orinasan’ny fitaterana nasionaly sy nandoko izany tamin'ny graffiti ilay teratany Soisa sy ilay Britanika mpiray tsikombakomba taminy. Melohina telo taona an-tranomaizina fara-faha-betsany ny fanimbazimbana ao Singapaoro sy famaizana kapoka tsora-kazo in-telo ka hatramin’ny im-balo.

01 Oktobra 2018

Miray hina ho an'ny ankizy eto Madagasikara ny bilaogera Malagasy

Somary navitrika tokoa tamin'ny ezaka fanaovana asa soa ny tontolon'ny bilaogy Malagasy.

Arzantina: Ny voina nahazo ny fianakaviana Pomar

Tao anatin'ny herinandro vitsy, nitatitra betsaka ny fanjavonan'ny fianakaviana Pomar ny fampitam-baovao ao Arzantina. Ny 14 Novambra 2009, nandeha fiara nankany Pergamino, 220 kilometatra miala an'i Buenos Aires i Fernando Pomar, ny vadiny Gabriela Viagrán, ary ny zanany roa vavy Candelaria sy Pilar ary nanjavona rehefa nandalo lalana handoavana hetra.

28 Septambra 2018

Milaza ny Venezoeliana fa tsy afaka miditra amin'ny tolotry ny Google izy ireo 

GV Mpisolovava

Mampaneno ny lakolosy fanairana ary milaza ny mety ho fanamafisana ny fanaraha-maso ny fifandraisana sy ny vaovao ny tatitra vaovao momba ny fanakanana ny aterineto.

Fanavaozam-baovao avy ao amin'ny efitra famoaham-baovao: Handao antsika i Mahsa ary handray ny andraikiny vaovao i Taisa 

Blaogim-Piarahamonina GV

Niala i Masha toniandahatsoratra miompana amin'i Iran mba hanomboka ny fiarahamiasany vaovao, ary handray ny andraikiny vaovao amin'ny maha-Toniam-baovao azy i Taisa.

Madagasikara: Ary rehefa eo am-pelatanan'ny tafika ny fitondrana ?

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanaitra an'i Madagasikara ny vaovao momba ny fikomiana tao amin'ny toby miaramila iray teto Antananarivo  ny 10 Martsa 2009. Niparitaka tany amin'ny toby miaramila hafa ny fikomiana nanomboka tamin'izay ary nametra-pialana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Vice-Amiral Mamy Ranaivoniarivo....

Zeorzia: Hiaraka hatory amin'i Shorena ve ianao?

Nanantena ny hanao revolisiona ara-pananahana ny fandaharana kanefa tsy nahomby satria efa nandositra ny toe-tsaina hoe "tsy mila firaisana ara-nofo eto URSS" i Zeorzia. Efa lohahevitra tsy fady intsony izany ary angamba efa nisy ny revolisiona ara-pananahana, saingy tamin'ny fomba malefadefaka.

Feo avy any Nizeria sy Ghana

Voalaza ato i Microsoft manoloana ny rindrambaiko maimaimpoana...