Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Koloina RAMASINANDRO

Tsy dia manana hambara loatra aho momba ahy, ny hany azoko ho lazaina angaha dia ny hoe: tiako ny hanandratra avo ny teny Malagasy sy ny kolotsaina Malagasy. Ho an`ny GVO dia tena mankasitraka tanteraka aho satria sehatra iray ahafahana manao izany izy. ho ela velona anie GVO sy ny mpiara-miasa rehetra ao aminy.
izay no avy aty amiko

imailaka Koloina RAMASINANDRO

Lahatsoratra farany an'i Koloina RAMASINANDRO

18 Septambra 2011

Sina : Ireo Fandaniam-bolam-bahoaka Telo Sy Ny Tsiambaratelom-panjakana

Ny teny hoe "ireo fandaniam-bahoaka telo" na san gong jingfei, dia miainga avy amin'ireo fandanian'ny governemanta noho ny fivoahana mankany ivelany, sakafo sy fialamboly ary ny fiaram-panjakàna. Ireo fandaniana telo ireo no noheverin'ny vahoaka manontolo ho toy ny tena fototry ny kolikoly ho an'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta

13 Marsa 2010

Nepal : Nampanginin'ny mpandala ny Fitondrana mpanjaka ny renivohitra

Mitaky ny famerenana ny lalam-panorenana monarsika (mpanjaka) ireo vondron’olona mpandala an’izany fitondrana izany ary ny fananganana firenena Hindu ao nepaly dia hampihidy (hampianjera) tanteraka ny renivohitra ao aminy.

23 Febroary 2010

Shina : horonantsary fohy maneso ny sivana amin'ny aterineto

Nahatontosa horonantsary fohy vaovao iray enti-mitsikera ny sivana amin'ny aterineto any Shina ilay mpamokatra horonantsarimihetsika tsy matihanina, Hu Ge . Tahaka ireny horonan-tsary fanadihadiana izay maharitra 7 minitra mahery eo, mitondra ny lohateny hoe ‘Tontolon’ny biby: Ny biby miaina an-trano‘ ka nahasarika olona an-hetsiny sahady izany tao anatin’ny andro vitsy...

20 Aogositra 2009

Kambodza : Manontany ny Oliravin'ny vanja milevina

Zon'olombelona an-tsary

“ Mananjo ho tsara tarehy ny olona rehetra !” No nanombohan'ny Mpifaninana ho Oliravin'ny olona voan'ny vanja milevina ny taratasy misokatra nosoratany, izay fifaninanana natombok'i Morten Traavik avy ao Norvezy. Araka ny voasoratra ao amin'ny tranokalam-pifaninanana, hanomezana fankaherezana ireo mitondra takaitra noho ny vanja milevina sy hihaikana ny fijery ny...

13 Aogositra 2009

Put it On: Fifaninanana ho an’ireo mpamokatra sarimihetsika

Ny fifaninanana Put It On Picture Show dia mety hahazoana vatsim-pianaranana hianatra any amin’ny New York Film Academy ary ihany koa loka mitentina 5000 dollars amerikanina, ho an’ny court métrage tsara indrindra, na ho an’ny long métrage tsara indrindra, ary koa ho an’ny mpaneho an-tsehatra [interpretation ] mendrika indrindra [Andoavambola...

06 Aogositra 2009

Fipoahana bomba: nahafatesana olona sivy tany Indonesia

Nisehoana asa fampihorohoroana indray tao indonezia [naotin'ny tonia:tamin'ny volana jolay]. Bomba roa no nipoaka tao Jakarta renivohitra indonezia tamin’ny zoma lasa teo. Araka ny voalazan’ ny vavolombelona dia tamin’ny 07:40 maraina no nahenoan’izy ireo ny fipoahana voalohany avy ao amin’ny JW Marriott, ary 2 minitra taorian’izany dia nirefotra ny bomba...

02 Aogositra 2009

Mahazoa T-Shirt Global Voices vaovao

Raha tia ny Global Voices ianao, dia tsy misy fomba hafa sy tsotra ho fanehoanao izany afa tsy ny mitafy ny akanjo (T-Shirt) Global Voices vaovao mahafatifaty iray. Hivory hanotrona an’i Barack Obama ve ianao, na ny mpanjakavavin'i Jordania ? hitafio ilay T-shirt! Hiseho amin’ny fahitalavitra? Aza hadinoina ilay akanjonao...

14 Jolay 2009

Mankalaza ny andron’ny tanora ny firenena Afrika Atsimo ary mahatsiaro ny fahiny

Ny 16 Jona, izay ankalazana ny andron’ny tanora eto Afrika Atsimo dia andro ahatsirovanay ny fahiny. Tamin’ny 16 Jona 1976 no nitranga ny hetsika tao Soweto nohon'ny faneren’ny lalana fa amin’ny fiteny Afrikaans amin’izay no itondrana ny rafi-pampianarana rehetra.

30 Mey 2009

Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.

Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka...

20 Avrily 2009

Jordana: Fampisehoana andrana ny fitaovana ara-Teknolojia Arabo

nanatrika ny fiantombohan'ny Andrana Hafainganana Arabo (Arab Crunch Demo) ny Jordanianina Mohammad Azaraq, ny blongana iray izay mikendry ny fampisongadinana ny Arab technology start-ups, ary mizara ihany koa izy ny zavatra hitany ao anatin'ity lahatsoratra ity.