Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Jolay, 2014
Fihetseham-Po Rosiana Voalohany Tamin'Ilay Voromby Nazera Tao Okraina Atsinanana
Nisy voromby nidaraboka tao Okraina. Noho ny tsy fananana afa-tsy lahatsary Youtube mangorovitsika sy fifanamelohana misavovona haingana dia haingana, dia tafiditra ao anatin'ny hotakotaka tanteraka ny mpiseran'i RuNet.
Tsy Tian'ny Tranomboky Singaporeana Hovakian'ny Ankizy I Tango Sy Ny Rainy Roa Mifankatia
Noraràn'ny Holafitry ny Tranom-bokim-pirenena (NLB) sy nopotehiny ny kopian'ireo boky telo hoan'ny ankizy izay miresaka momba ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana sy ny fananganan-jaza taorian'izy nahazo fitarainana fa "tsy manohana ny fianakaviana" ireo boky.
Te-hahazo Vaovao Betsaka Avy Ao Israely sy Gaza Amin'izao Fotoana Izao? Mety Hanampy Anao Ireto Lahatsary Dimy Ireto
Manolotra adian-dahatsary fohy manazava mikasika ny ady eo amin'i Israely sy Gaza ny AJ+, fantsom-baovao antseraseran'ny Al Jazeera. Palestiniana 200 eo no eo no namoy ny ainy hatramin'izao.
Nilaza Tamin'ireo Mpampianatra Ambony Momba Ny Fivavahana i Poutine fa “Nanan-talenta” i Goebbels
Niantso an'i Joseph Goebbels, Minisitry ny Fampielezan-kevitry ny Nazi ho “lehilahy mana-talenta” i Vladimir Putin nandritra ny fihaonana tamin'ny delegasionan'ireo raby iraisam-pirenena.
Ahoana No Hanivahana Amin'ny Fanarahamaso Ataon'ny Governemanta Ejipsiana Amin'ny Aterineto
Manolotra tari-dalana hanakanana ny Fanarahamaso ny Aterineto ataon'ny Minisiteran'ny Atitany i Tarek Amr.
Fampianarana Antserasera 7 Vaovao Hamenoanao Ny Fotoam-Pahavaratra
Fenoy ny fandaharam-potoananao mandritra ity fahavaratra (any amin'ny ilabolantany avaratra) ity amin'ny alalan'ny fandratoana fahalalàna vaovao miaraka amin'ny fampianarana antserasera: Hampahafantarina anao ireto fampianarana 7 ao amin'ny aterineto ireto
Arzantiniana Mpilalao Baolina Ezequiel Lavezzi Mahazo Mpanjohy Vehivavy
Miteraka firehetam-po, fihaonana, fanantenana, finamanana ary fivoriana eo amin'ny namana sy ny fianakaviana ny Mondialy. Na dia izany aza, hoan'ireo olona tsy dia zatra amin'ny endrika teknikan'ny fanatanjahantena, miteraka fihetseham-po ihany koa ny Mondialy.
Polisy Roa Namoy Ny Ainy Noho Ny Tsy Fandraisana Andraikitry Ny Governemanta
Araka ny filazan'ny mpiserasera, mety ho voasoroka ihany ireo fipoahana tao amin'ny distrikan'i Héliopolis, tanàna ao Kairo renivohitra, raha tena niady tamin'ny fampihorohorona ny polisy fa tsy nifantoka tamin'ny fisamborana sy ny fampidirana mpikatroka am-ponja .
Nilaza i Rosia Fa Mampiely “Extremisma” Ny Aterineto
Namolavola tetikady maharitra folo taona hiadiana amin'ny extremisma maherisetra ao Rosia ny Minisiteran'ny Atitany.
Mety Hisamborana Anao Ny Fanatontosana Lahatsary Youtube Hanohanana Ny Ekipam-pirenena Ao Iran
Ahitana horonantsary Iraniana avy amin'ireo firenena maherin'ny roa ambin'ny folo mihira sy mandihy ilay lahatsary "Goal Iran". Nolazain'ireo polisy Iraniana ho "foza" anefa ilay lahatsary .