Andriamifidisoa Zo · Jolay, 2013

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Jolay, 2013

Hala Tahaka ‘Gangnam Style’ Mampisongadina Ny Zanaky Ny Mahantra An-Tanandehibe ao Kambodza

  08 Jolay 2013

Mbola mahoraka ato amin'ny aterineto hatramin'izao ny ‘Gangnam Style’ saingy amin'ity indray mitoraka ity dia lalaovin' ankizy 160 avy any ambany tanàna ao Kambodza ilay izy. Nahazo mpijery mihoatra ny 200.000 tao amin'ny YouTube sahady ilay halatahaky ny lahatsarin-kira nataon'ilay mpanakato Koreana Tatsimo Psy malaza dia malaza andro vitsy monja taorian'ny namoahana azy.

Singapore: Zavona Lasa Havandra Tsy Ampy Herinandro Akory

  05 Jolay 2013

#sghaze [zavona (na setroka) eto Singapore] lasa #sghail [havandra eto Singapore].  Taorian'ny fisian-javona be indrindra (na fahalotoa-tsetroka be indrindra) dia tratran'ny orambaratra nitondra havandra i Singapore. Ny setroka nateraky ny doro ala tany Indonezia no fandotoan-drivotra ratsy indrindra tany Singapore tao anatin'ny taona maromaro izao. Maro ny olona no faly tamin'ny...

SARIPIKA: Zavakanto An-Tanandehiben'i Budapest Tokana Aman-Tany

  04 Jolay 2013

Ny renivohitr'i Hongria, izay efa malaza amin'ny tantara, ny zavakanto ary ny rafitranony, no hita mamelona ny sangan'asa an-tanandehibe tokana aman-tany mampiavaka azy andro maromaro izao. Mipongatra isan'andro ao amin'ny tambajotra sosialy tahaka ny Twiter sy ny instagram ireo sary sy fanehoan-kevitra hita amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #streetart (kanto an-dalambe)...

Fiantraikan'i Brezila: Olona an'Arivony Mihetsiketsika ‘Ho Amin'i Paragoay Tsara Kokoa’

  03 Jolay 2013

Olona manodidina ny 3000 eo ho eo [es] no nidina an-dalamben'ny renivohitr'i Paragoay mba handrenesan'ny ao amin'ny antenimiera azy, taorian'ny fironana fihetsiketsehana ao Brezila herinandro vitsivitsy lasa izay. Notontosaina tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy, tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #porunparaguaymejor. [“Ho amin'i Paragoay tsaratsara kokoa”] ny fanentanana ny sivily hiomana ho amin'ny...