Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Oktobra, 2011
Kamerona: Mipoitra Mialoha ny Fifidianana ny Nasionalisman'ny Mpiteny Anglisy
Tahaka ny maha-anatin'ny fampielezankevitra fifidianana amin'ny 9 Oktobra 2011 izao, fifidianana ho filoha any Kamerona, niezaka nanao hetsika tao Buea renivohitr'i Kamerona Atsimo nozanahin'ny Anglisy taloha ny mpanohana ny hetsika mpisintaka sy mpiteny anglisy tamin'ny voalohany oktobra teo.
Brezila: Nahakatona Bilaogina Mpametaveta Zazakely Ny Hetsika Tamin'ny Twitter
Raha arahina ny hetsika lehibe hita any amin'ny valan-tserasera dia niezaka nanao izay hanakatonana bilaogina mpametaveta zazakely ny mpisera Breziliana ora vitsy taorian'ny fanairana voalohany nalefa tamin'ny Twitter ny marainan'ny Alatsinainy 3 Oktobra 2011. Ilay bilaogy voatonona eto moa, izay antsoina hoe Sim a Pedofilia (Eny amin'ny fametavetana Zazakely) [pt],...
Shina: Ny Sandan'ny Fitetezana Habakabaka
Kihondalana amin'ny hazakazaka hitety habakabaka indray ny fandefasan'i Shina tamin'ny herinandro lasa ny Tiangong-1 tobin-danitra azo onenana, iray amin'izay tokony atahoran'ny rehetra. Indrindra fa ny Aziatika mpiara-dia amin'i Etazonia, mazava? Iray amin'ireo tsy mitovy hevitra amin'izany filazana izany i Jiang Feng, tonia lehiben'i gazety miteny shinoa any Japana Taranaka-Shinoa-Vaovao Ampitan-dranomasina; ao...
Myanmar: Naaton'ny Filoha ny Fananganana Tohodrano
Nanaitra ny maro ny nataon'ny fitondran'i Myanmar tamin'ny baiko fampiatoana ny fananganana ilay tohodrano niteraka andihevitra ho valin'ny fanoherana sy ny fanangonan-tsonia nataon'ny tambanivohitra sy ny fiarahamonim-pirenena. Adikan'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices mydaydream ho antsika ny vaovao amin'ny teny Birmana sy ny domberina azo tamin'ny fampiatoana ny tetikasa
Brezila : Kabary Manantantaran'i Dilma Rousseff Tao Amin'ny ONU
Dilma Vana Rousseff, vehivavy voalohany lany ho filohan'i Brezila, no notendrena ihany koa ho vehivavy voalohany hanokatra ny fivoriambe fanao isan-taonan'ny Firenena Mikambana ny 21 septambra 2011.Ankoatra ny maha-fotoana manan-tantara azy dia niavaka tamin'ny fahasahiana sy ny tsindro-paingotra ho an'ny firenena tandrefana tratry ny krizy, tamin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny fanekena an'i Palestina ho mpikambana ao amin'ny ONU ny kabariny
Yemen: Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen
Nanambatra ny anarany amin'ny Hetsika isan-jomà, ho fiaraha-mientana, ny Revolisionera any Syria sy Yemen izay manohitra amam-bolana izao ny fitondrana mpanao didijadona sy be fihaikana. Ao amin'ny "Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen" no nandritra ny ezaka ataony hizara tsy amin'ny anarana iray ihany, fa amin'ny saina mihofahofa mitovy, hiaka hatramin'ny rakipeo sy lahatsary aza, ny mpikatroka ao amin'ny firenena roa tonta
Global Voices Podcast 4: Misandratra Isika Miaraka
Amin'ity andiany ity dia handre ireo mpamaham-bolongana Grika avy ao amin'ny fikambanana Rising Voices ianareo, ny fomba fanatsaran'ny olotsotra tia mampita vaovao Goatemalteka ny talentany hiatrehana ny fifidianana ary izay kasaina hotontosaina mandritra ny Vovonan'ny Mpamaham-Bolongana Arabo hotontosaina ny 3-6 oktobra 2011 any Tonizia ary anisan'ny mpikarakara ny Global Voices
Iran: Bilaogera “Nanjavona” Sy Famonoan-tena Roa Nampahonena
Nanaitra ny mpamaham-bolongana Iraniana ny famonoan-tena nataon'ny roa tamin'ny naman'ny mpiaro ny zon'olombelona iray. Miantso famotorana avy hatrany ny Fanentanana Iraisampirenena Miaro ny Zon'Olombelona.